Politique

Raharaha BANI Hamoronana dosie indray ny kly Charles ?


  • Alatsinainy 09 Mey 2011

Mihazakazaka ny toe-draharaha taorian’ny dia mivoaka sy miditra nataon’ny filohan’ny FAT sy ny praiministra tany Afrika tany.

 Mafanafana eo anivon’ny foloalindahy. Miakatra ny feo : “fa maninona no olona manana dosie any amin’ny Fitsarana no natao filohana andrim-panjakana, ny sasany notendrena minisitra nefa ireo tena nametraka izao fitondrana izao, izay miaramila manamboninahitra ny ankamaroany, any am-ponja”. Miakatra hatrany koa ny feo avy amin’ny mpanohitra mitaky ny hamelana ireo sesitany hody an-tanindrazana tsy misy raorao sy ny hamoahana ireo gadra politika rehetra. Nijoro ny faran’ny herinandro teo ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana, tarihin’ny Pr Zafy Albert, izay nanambara fa hanao hetsika mitohy manomboka izao, hananganana tetezamita iraisana. Eo anatrehan’izany dia mandeha ny resaka ankehitriny ny amin’ny hamoahana ireo gadra politika rehetra ka voakasik’izany ireo miaramila voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN sy BANI. Raha ny feo re dia anisan’ny fepetra takian’ny SADC koa io, raha te hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena ny FAT.

Araka ny loharanom-baovao akaiky izao fitondrana izao dia mety hirona amin’ity famotosarana ireo vaofonja noho ny resaka politika ity ny FAT. Ireo voakasiky ny raharaha BANI kosa dia nahenoam-peo fa hafahana avokoa afa tsy ny lietna-kolonely Charles ihany. Ny antonym, araka ny fantatra, dia misy eritreritra famoronana dosie hafa mikasika ity kolonely zanak’i Vatovavy Fitovinany ity indray miala any, ka amin’izay fotoana izay dia tsy ho anisan’ireo gadra politika ny tenany. Ho hita eo ny tohiny !

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT