Politique

Raharaha 7 febroary Odian-tsy hita ny ampamoaka


  • Talata 08 Febroary 2011

Tsy misy izay tsy manamarina ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 ary namariparitra ny tena nitranga tamin’ny 7 febroary.

Singanina manokana amin’izany ny Lt-Kolonely Charles sy ny Jeneraly Rakotonandrasana izay efa nanome ny ambangovangony rehetra momba ny fanomanana sy ny nataon’izy ireo tamin’iny fotoana iny. Voatanisa avokoa aza hatramin’ny anaran’ny rehetra izay voakasiky ny raharaha. Tsy ireo manamboninahitra ireo ihany fa efa saika manamarina ny zava-nitranga avokoa na dia ankolaka aza ireo sasany nandray anjara tao anatin’ny fanonganam-panjakana. Raha tsy hiteny afa tsy i Monja Roindefo izay lasa nanohitra ankehitriny. Odian-tsy hita avokoa anefa izany ankehitriny. Ny an’ny FAT ihany no asesiny ary terena ho ny teo amin’ny fitondrana tamin’izany fotoana no diso. Mbola maro ny horonantsary amin’izay navoaka tamin’ny fomba ofisialy ary manaporofo fa misy tifitra avy any amin’ny toeran-kafa,

ankoatra an’Ambohitsorohitra tamin’iny fotoana iny. Efa nisy ihany koa ny fanadihadian’ny manampahaizana amin’ny fiavian’ny bala (expertise ballistique) kanefa dia odian-tsy hita izany. Nisy ihany koa ny fanadihadiana nataon’ny fahitalavitra frantsay “France 24” mitatitra ny ampahan’ny zava-nitranga teto, milaza zavatra maro, izay irian’ny maro mba halefa ao amin’ny TVM ihany koa. Raha mivoaka mantsy ny tena marina amin’iny raharaha 7 febroary iny dia azo antoka tsy ho zakan’ny FAT izany.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT