Politique

Radanoara Julien “Tsy hisy zava-banona mihitsy eto …”


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Notontosaina omaly teny amin’ny CCI Ivato ny lanonana fanaovana rangopohy ilay sori-dalan’ny SADC. Fanontaniana mipetraka ny hoe : hahazo ny fankatoavana amin’izany ve ny FAT ? Mitondra ny heviny Radanoara Julien izay manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena. Fanadihadiana.

Tia Tanindrazana (TT) : Azo antoka ve ny ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena taorian’ireny fanaovana rangopohy ny sori-dalan’ny SADC omaly ireny ?

Radanoara julien (RJ) : Tsara marihina aloha fa manao soso-kevitra hialana amin’ny krizy ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa tsy afaka manery hampanao sonia mihitsy. Malalaka amin’ny heviny na hanaiky na handa hanao sonia kosa ireo mpifanandrina ara-politika. Raha mahatsapa fitongilanana ataon’ireo mpanelanelana koa aza ny andaniny na ankilany dia afaka mangataka ny hanoloana azy. Momba ny hoe hahazoana fankatoavana indray ilay rangopohy dia tsy hisy mihitsy izany raha tsy tafapetraka amin’ny toerany ny governemanta aorian’ny fahavitan’ny fifidianana demokratika sy eken’ny rehetra. Tsy maintsy ny vondrona iraisam-pirenena koa anefa no mandray an-tanana feno ny fanomanana io fifidianana io ka maka olona avy amin’ny FAT sy avy amin’ny mpanohitra izy mba hampisy tokoa ilay tsy fiandaniana ankoatra ny fiantoana ny enti-manana ara-bola. Tsipihiko mazava, araka izany, fa tsy ho azo mihitsy ilay fankatoavana raha ny FAT samirery no hikarakara azy.

 

TT : Aiza ny anjara toeran’ny CENI amin’izany ?

RJ : Ny CENI no tompon’antoka amin’ny fikarakarana ny fifidianana saingy arahan’ny vondrona iraisam-pirenena maso akaiky ny asany. Ny vondrona iraisam-pirenena izay marihiko hatrany fa haka mpiara-miasa amin’ny mpifanandrina politika ankehitriny. Izay no lalana ivoahana amin’izao krizy izao rehefa tsy hita ny marimaritra iraisana.

 
TT : Vita hatreo ve izany ny Ankolafy telo ?

RJ : Raha misisika amin’ny fifidianana samirery ny FAT sy/na ny vondrona iraisam-pirenena kanefa tsy tafiditra ao anatiny ny Ankolafy Telo dia atahorana hiverina indray ny korontana ka lasa fandaniam-potoana sy fandaniam-bola fotsiny avokoa ny zava-drehetra. Koa nahoana moa raha izay tena ahitana ny marimaritra iraisana mihitsy aloha no tadiavina dia iaraha-manomana ny fifidianana avy eo ? Tsy hisy zava-banona mihitsy eto raha tsy ny rehetra no miray hevitra.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT