Tafaverina an-tanindrazana ny alarobia alina teo ny filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, Saraha Georget Rabeharisoa, rehefa nanatanteraka dia arahin’asa nandritra ny hafoloana, ka nitetezany firenena eoropeanina maromaro sy nihaonany tamina tompon’andraikitra ambony samihafa. Nisy ny dinika manokana nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy, araka izao manaraka izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Mifaninana mankany ivelany ianareo mpanao politika, midika ve izany fa milamina ny toe-draharaha eto ? Ahoana no fahitan’ny any ny toe-draharaha eto Madagasikara ?
Rabeharisoa Saraha Georget (RSG) : Ny antoko Maitso dia mpikambana ao anatin’ny Fianakaviamben’ny Maitso eran-tany (les Verts Mondiaux na Global Green) ary manana fifandraisana manokana noho izany amin’ny Maitso eran-tany. Tsy vao sambany ny fandehanan’ny Maitso any ivelany fa efa fomba fanaony. Ny fahitan’ny any ivelany ny toe-draharaha eto Madagasikara dia mitovy amin’ny fahitan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara azy. Latsaka an-katerena ny firenena amin’ny lafiny rehetra. Tsy misy afa tsy ny fanajana ny safidim-bahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana tsara omana mazava ary amin’ny fomba tena demokratika ihany no vahaolana.
TT : Misy ifandraisany amin’ny filatsahan-kofidianao amin’ny fifidianana filoham-pirenena ve ny dianao tany ivelany teo sa nandresy lahatra ny vahiny hahazoan’izao fitondrana andraisan’ny Maitso anjara izao fankatoavana iraisam-pirenena ?
RSG : Lafiny roa no nandehanako tany ivelany. Ny iray mahakasika manokana ny antoko Maitso ary mazava ho azy ny momba ny filatsahako amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Ny faharoa dia ny fanehoana ny fahitan’ny antoko Maitso manokana ny toe-draharaha eto Madagasikara sy ny vahaolana hitanay mifandraika amin’izany. Marihiko eto fa ny antoko Maitso irery ihany no niantoka tanteraka ny diako tany ivelany. Ny Maitso dia niteny foana fa tsy misy ary tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy ho an’ny Fitondrana tetezamita fa ny dingana vita no refesina sy ankatoavina na tsia, izay miafara amin’ny fifidianana manaja ireo fepetra rehetra ilaina amin’izany. Anjaran’ny mpitondra sy ny mpanohitra azy no mandresy lahatra fa ny anay dia ny mandray anjara amin’ny fanomezana soso-kevitra ahafahana mivoaka malaky amin’ny fomba tsara indrindra amin’izao krizy izao.
TT : Am-periny amin’ny fanomanana ny fifidianana ho avy ny CNE, nangina raha ny fahitana ny 3PE (Plateforme des Partis Politiques pour les Elections) izay firohotana misy ny Maitso, inona no
RSG : Miasa mangina ny 3PE. Misy fotoana iasana, misy fotoana itenenana ny vokatry ny asa vita. Mifantoka tanteraka amin’io resaka fifidianana io ny fironana misy anay, ary tsy mitsahatra ny mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny sehatra rehetra azo hanaovana izany. Izay indrindra no nahafantaranay fa tsy misy na tsy ampy ny mangarahara amin’ny fanomanana ny fifidianana eto amintsika. Ampaham-bola ihany amin’ny tokony ho entiny miasa no nomen’ny Fitondrana tetezamita ny CENI hatreto, tsy mifanojo noho izany ilay planina novolavolain’ny CENI sy ny zava-bita. Ny 3PE dia mitaky hatrany ny mangarahara sy ny fahaleovantena ho an’ny CENI, ny hanitarana izany CENI izany ho an’ny Antoko izay hifanandrina isan’ambaratongam-pifidianana na dia tsy handraisan-karama aza. Mitaky foana ny mangarahara ny 3PE amin’ny fanomanana ny lisi-pifidianana, ny isan’ny biraom-pifidianana sy ny laharana ahafantarana azy marina, ny fanamboarana ny kara-panondro, ary farany teo dia ny hananan’ny CED sy ny CER birao mitokana ho azy irery. Miankina amin’ny fifidianana tsara omana sy mangarahara ny filaminan’ny firenentsika.
TT : Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana, miantso anareo mpanao politika ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Rajoelina, hifaninana amin’izany. Hiroso ve ny Maitso sa hiandry izay ho fanapahan-kevitry ny SADC ?
RSG : Vonona amin’izany fifidianana izany izahay. Tsara ho an’ny rehetra anefa ny mihaino ny fanapahan-kevitr’ireo vondrona mpanelanelana amin’izao raharaha izao. Ny tena takianay dia ny hisian’ny mangarahara tanteraka amin’ny fitantanana izany fifidianana izany.
TT : Mafanafana ny toe-draharaha tato ho ato, indrindra ny politika sy sosialy. Miverina ny fidinana an-dalambe, mbola misy toerana ho an’ny fifampidinihana ve eto ?
RSG : Tsy misy olana tsy ahitam-bahaolana izany, na olana saro-bahana toa inona aza ! Ny finiavan’ny tsirairay no tena ilaina.
TT : Mpikambana ary filoham-baomiera ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ianao, mitaky ny hanakatonana ny toeram-pivorianareo ny Profesora Zafy Albert, satria aminy dia tsy ara-dalàna ireo rafitra najoro ireo. Ny fahitanao izany ?
RSG : Fomba fijery toy ny rehetra ny azy. Tsy io Parlemanta io akory aminay no tena zava-dehibe, fa ny fisian’ny sehatra azo ifampiresahan’ny rehetra vonona amin’izany, na inona filaza azy na aiza misy azy.
TT : Farany, nitokona ireo mpanao sokitra tany Ambositra fa tsy manana akora, mitohy ny fanondranana “bois de rose”. Mampieritreritra koa ity faty olona ateraky ny fihinanana trondron-dranomasina tato ho ato ity. Mby aiza ianareo Maitso manoloana izany ?
RSG : Efa nandroso vahaolana izahay Maitso saingy anjaran’ny fitondrana tetezamita no manapa-kevitra ary aminay dia anisan’ny “affaires courantes” tokony handraisany andraikitra izany. Ny tena mampalahelo dia isika Malagasy ihany no manampy trotraka ny zava-dratsy vokatry ny fikorontanan’ny toetr’andro, amin’ny fitrandrahana tsy ampiheverana lavitra ireo harem-pirenentsika. Nefa dia iaraha-mahalala izao fa tsy maintsy iaraha-mizaka eto ihany ny mety ho vokatr’izany rehetra izany. Misy ny olan’ny mpanao asa tanana ao Ambositra satria tsy ampy ny hazo entiny miasa. Ireo hazo rehetra efa notanana izay fatantry ny fitondrana ny fisiany dia azo tapahina ho “rondins” kelikely maromaro. Ny “rondin” mantsy dia tsy mamaly ny filan’ny tsena any ivelany. Roa no voka-tsoa haterak’izany : mihena ny fanapotehana ny ala satria foana ny fanararaotana ny fanangonana tahirin-kazo, mazava ny fitantanana ny tahiry, mampitatra asa maro toy ny asa tanana, ny asa momba ny fikajiana sy fitrandrahana ny ala, ny fizahantany … izay fidiram-bola maharitra ho an’ny tsirairay, ny Faritra sy ny firenena. Maro ny voka-dratsy ateraky ny fahapotehan’ny tontolo iainana : ny rano, ny rivotra, ny zava-maniry …Tsy ampy ny fandraisan’andraikitry ny fitondrana. Ny Maitso dia mitaky hatrany ny mangarahara.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.