Politique

Rabeharisoa Saraha Georget “Manan-jo hahalala ny marina ny Malagasy !”


  • Zoma 10 Jona 2011


 Valalanina ny vahoaka eo anatrehan’ny fifanipahana sy fahasamihafan’ny zava-boalazan’ireo delegasiona nasain’ny SADC nivory tany Gaborone ny 06 sy 07 jona teo, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso, Rabeharisoa Saraha Georget. Aminy dia ny fanasohasoana tena no nataon’ireo milaza fa solontenan’ny Malagasy tany, fa tsy misy zavatra niraisana. Notsiahiviny fa nampanantena ny mpitondra raha niainga teto fa hanao sonia no dia any Gaborone ary io no fanantenana farany amin’ny famahana ny krizy nefa tsy izany ny zavatra niseho. Hentitra ny filoha nasionalin’ny Maitso, nilaza fa tsy mahasoa io fanaovana laingalainga sy fitapitaka io. Mitaky ny mangarahara amin’ny zava-misy marina izy ireo, mba tsy hampisavorovoro ny saim-bahoaka. Manan-jo hahalala ny marina ny Vahoaka malagasy, hoy izy.  Nambarany fa mpanelanelana sy mpanara-maso ny fampiharana izay ifanekena no anjaran’ny SADC fa ny Malagasy no tsy maintsy mandray an-tanana ny hoaviny.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT