Politique

«Protocole d’accord» Manomboka manakorontana sahady !


  • Alarobia 06 Aprily 2011

Mahomby saingy manomboka manakorontana sahady. Izay no azo ilazana ilay “protocole d’accord” na fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny zandary sy ny polisy.

Efa nisambotra miaramila sy polisy sahady ny zandary ary nampiditra am-ponja an’izany. Mbola naseho ampahibemaso tamin’ny mpanao gazety aza ireo olona ireo, voalohany tamin’ny tantara no nisy izany. Efa misy sahady ny akon’io eo anivon’ny sehatra ambonin’ny mpitandro ny filaminana. Raha tsy hilaza afa tsy ny famorian’ny lehiben’ny Etamazaoro ny “chef de corps” rehetra afak’omaly mba hahafantarana marina ny momba ilay miaramila voasambotra sy ny mbola hosamborina.

Tsy izany ihany fa manomboka mingonongonona ihany koa ny polisy momba ilay “brigadier” iray nosamborina tetsy Ambohidrapeto ary naiditra am-ponja eny Antanimora rehefa voalaza fa mpampanofa basy ny “bande des 12”. Io anefa dia tsy nahitana basy tao an-tranony rehefa nosavaina ary tsy dia hita ihany koa ny porofo nitazonana azy, raha araka ireo polisy sendra mahalala azy ka mitantara. Mahomby, araka izany, matoa misy akony sahady ity fifanaraham-piaraha-miasa ity. Samy mitandrina ny tsirairay amin’izao ary amin’ny lafiny iray koa anefa mifampiandriandry…

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT