Politique

Profesora Zafy Albert Fofoina amin’ny lakrimôzena ?


  • Zoma 20 Mey 2011

Inona no tadiavina hatao amin’ny Profesora Zafy Albert ? Mampieritreritra ihany mantsy ny zava-nitranga tato anatin’ny roa andro teny Anosy nisian’ny rodobe tarihin’ity raiamandreny manana ny toerany eto amin’ny firenena ity.

 Nandrakitra an-tsoratra ireo zava-nambarany ny alarobia 18 mey ny Profesora, dia ny handravana ny Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita arahin’ny fanakatonana ny Lapa fivorian’izy ireo fa tsy ara-dalàna, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fanokafana ny haino amanjerim-panjakana hahafahan’ny rehetra maneho hevitra malalaka, ary nampahafantatra izany amin’ireo toerana tokony hiantefany, dia Tsimbazaza, Anosikely ary Anosy no anton-diany sy ny rodobe, omaly. Fotoana fohy taorian’ny nigadonany teny Anosy anefa dia notemerin’ny miaramilan’ny Emmoreg ny fiara 4x4 nitondra azy.

Tsy nijanona teo fa dia mbola narahina daroka lakrymôzena variraraka indray nony kelikely, sady nanaparitahana ireo vahoaka niara-dia sy tonga hiaro azy amin’izay mety ho zava-mitranga rehetra. Hita ho jenjin’ny lakrimôzena mihitsy ny filoha Zafy Albert tao anatin’izany. Toe-javatra izay nahatezitra ny maro tokoa, satria tsy vao sambany rahateo io fa nisy koa ny fitorahana baomba mandatsa-dranomaso sesilany afak’omaly, izay tena mahery vaika ary tsy vitan-dranomaso intsony fa ny taovam-pisefoana, indrindra ny havokavoka mihitsy no tena asiany mafy. Porofon’izany, raha teny Anosy no natsipy ny grenady, hatrany amin’ny tribonaly sy hopitaly ary ministera rehetra tany no mena maso sy nitaraina. Ny lehibe izany, fa ny ankizy be no sempotra. Kanefa dia izany no natsipy teo akaikin’ny Profesora Zafy Albert izay efa itambesaran’ny taona ankehitriny. Tsy noheverina akory fa Filohan’ny Repoblika teo aloha izy, ary raiamandreny fanaja, noho izy rain’ny demôkrasia. Rariny raha manan-kevitry ny hitory ity olobe ity.

 
Adihevitra be
 

Taorian’iny tranga teny Anosy nitorahan’ny Emmo-Reg grenady mandatsa-dranomaso ny profesora Zafy Albert sy ny Rodobe tarihiny iny dia fantatra fa nivory naharitra ny avy amin’ny Emmo-Reg. Nisy mantsy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny samy miaramila. Tonga hatrany amin’ny hoe raha maninomaninona ny profesora dia tsy hanaiky izahay, hoy ny sasany. Taorian’ilay fitifirana grendy dia hita ho sempotra ny profesora omaly teny Anosy ka voatery nentina namonjy fodiana haingana. Niantraika tamin’ny fahasalamany ilay izy araka ny loharanom-baovao avy amin’olona akaiky azy. Nandritra ilay fivoriana kosa dia fantatra fa very hevitra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Emmo-Reg. Ny olana dia tsy hitan’izy ireo izay atao amin’ny profesora sy ireo olona maro manara-dia azy. Milaza anefa ireto farany fa hitohy hatrany ny hetsika rodobe.

 
r.d /Rakoto Maxime/Jean D.
 

sary : Efa notemerin’ny Emmo-Reg teo Anosy ny fiara nitondra ny profesora Zafy Albert

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT