Tokony ho ny sabotsy teo no notanterahina ny fihaonan’ny profesora Zafy Albert tamin’ny lehiben’ny fampanoavana.
Araka ny loharanom-baovao anefa dia nahemotra tampoka anio izany. Tsy sanatria akory misy ny fiampangana ny mpitarika ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana izay fantatra rahateo fa Rain’ny demokrasia, saingy nampanantsoina eny Anosy kosa ny tenany mba hanomezana valiny azy momba ny fangatahana nataony tamin’ny fitsarana. Anisan’izany ny famoahana ny gadra politika sy ny fanazavana ireo dosie marobe izay tsy mbola notsaraina sy nahitam-baliny fa mihantona fotsiny hatramin’izao. Heverina ho hafakely ihany ity tranga ity ary tsy mbola nisy hatramin’izay. Hanazava ny mpitsara ary hamoaka ny heviny.
Mety ihany amin’ny lafiny iray saingy mampanontany tena kosa ny hoe hatraiza ny fanajana ny tsiambaratelon’ny fitsarana ? Manarak’izany koa dia efa maneho ny heviny amin’ny raharaha politika izany ny mpitsara ankehitriny. Ho hita eo izay mety ho vokatr’izay fihaonana izay satria nanazava ny Profesora fa hiatrika an’izany fampiantsoana – hafahafa – azy izany. Antenain’ny maro ny mba hangatahany fanazavana ny hevitry ny fitsarana amin’ny fanagadrana maro isan-karazany ireo mpanao politika na koa mpanao gazety na koa ny momba ireo dosie izay tsy mbola voatsara.
r.d
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.