Mbola naneho ny faniriany hanome lanja bebe kokoa ny kolontsaina Malagasy ny Printsy vavy Yasmine avy any Besalampy tamin’ny filazana fa laharam-pahamehana ho azy amin’izao fotoana izao ankoatra ny famonjena ny fivoriana ara-potoana ny Kongresin’ny tetezamita eny Tsimbazaza eny, ny fanatsarana ny doany Manongà Tsinjoarivo Besalampy izay efa tena tranainy tokoa na ny varavarana ao aminy na ny vala mena.
Laharam-pahamehana iray hafa ho azy koa ny resaka famatsian-jiron’ny Jirama any amin’ity toerana niaviany ity fa mbola miantehatra amin’ny sambo sy ny botry ny fitaterana ny solika mampandeha ny milina ao aminy ao ka mampanahirana be ny mponina any an-toerana. Nambarany fa tsy ny ady politika tsy akory no hampandroso ny Faritra Melaky misy an’i Besalampy ka mbola laharam-pahamehana hafa ankoatra ireo voalaza ireo ny fahavitan’ny lalana any amin’iny faritra iny, miainga eto
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.