Politique

Printsy Elakovelo Aiza izay fankatoavana eo ?


  • Alatsinainy 21 Martsa 2011


Nafana ny hetsiky ny Ankolafy telo tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo. Tazana tao avokoa ireo olobe mpitarika ity ankolafy ity notarihin’ny Pr Zafy sy Manandafy Rakotonirina, nanaporofoan’izy ireo fa miray hina ny ankolafy telo, ary ifampierana avokoa ny fanapahan-kevitra raisina. Mariky ny fifampitokisana ny fahatongavan’ny vahoaka maro toy izao, hoy i Manandafy Rakotonirina. Nanisy tsindrim-peo ity farany ka nilazany indray fa : tsy nanao sonia ny tany Ivato ny ankolafy Ravalomanana ka raha misy ministra hoe hatolotr’ingahy Ravalomanana dia lainga izany, toy izany ny avy amin’ny Pr Zafy sy Didier Ratsiraka.

Tsy matoky tena i Andry Rajoelina sy Camille Vital, hoy izy, nefa ny FAT tsy vonona hifampiraharaha. Nanampy izany tenin’ity filohan’ny antoko MFM ity izany ny voalazan’ny Printsy Elakovelo niarahaba ny vahoaka malagasy “tsy manaiky ny marina ho resy”. Fanontaniana moa no nanohizany ny teniny nilaza fa “Vondrona iraisam-pirenena iza no milaza fa mahazo fankatoavana iraisam-pirenena ny FAT ? Ary aza miteny zavatra tsy eken’ny vondrona iraisam-pirenena izany, hoy ity solontenan’ny Ankolafy Ratsiraka ity, izay nampahatsiahy indray fa tsy eken’ny Malagasy ny tetezamita mpanongam-panjakana ary ny vahoaka no masi-mandidy eto.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT