Politique

Pr Zafy Albert sy Marc Ravalomanana Hanazava ny Windhoek sy Gaborone ao amin’ny Magro anio


  • Talata 24 Mey 2011


 Nanao tombana ny hetsika tao anatin’ny efatra andro nisesy vita tamin’ny herinandro lasa iny ireo mpitarika ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana, omaly. Nisy ny dingana vita ary mizotra mankany amin’ny fanatrarana ny tanjona, dia ny hametrahana tetezamita tena izy, iarahan’ny rehetra izany, araka ny fanazavan’izy ireo. Araka izany dia tsy hijanona eo ny hetsiky ny Rodobe. Amin’ity anio ity dia hihazo an’ny Magro Behoririka izy ireo, hanome vatsy sy toromarika ireo mpiara-dia. Hisy tatitra hataon’ny Profesora Zafy Albert sy Marc Ravalomanana mikasika ny fivorian’ny SADC tany Windhoek ny 20 mey teo hatao ao an-toerana ary koa hitondra fanazavana mikasika ny fihaonana izay hatao any Gaborone amin’ny fiandohan’ny volana jona ho avy io, izay somary mampiroaroa saina ny maro, eo anatrehan’ny fivoizan’ny FAT resaka fa sonia sisa hatao any Gaborone.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT