Politique

Pr Zafy Albert ”Fitondrana lany daty no misy eto”


  • Alatsinainy 21 Martsa 2011


Nidina an-kianja tao amin’ny Magro Behoririka, nanentana sy nitondra hafatra ho an’ny mpiara-mitolona mitaky ny hamarenana ny ara-dalàna eto Madagasikara, araka ny fampanantenana nataony ny Pr Zafy Albert ny sabotsy teo. An-karavoana tanteraka no nandraisan’ny vahoaka maro, nameno kianja, azy teny an-toerana. “Manome hery anay izay miasa ny fahamaronareo, tonga be dia be toy izao. Tsy ankolafy 3 ihany isika fa vahoaka tsy vakivolo ary milaza ny tenanay fa hiara-dia aminareo hatramin’ny farany izahay. Matokisa !”, hoy ny rain’ny demokrasia. Tsy nihambahamba ity farany nilaza fa “lany daty ary tsy misy FAT intsony izao. Resaka daholo ny rehetra fa tsy izay te hanangana fanjakana na governemanta izao dia afaka”. Nampiany fa “tsy i Simao izay tsy nety nandray anay no hanome sori-dalana tsy mahomby”. Araka ny nambarany moa dia nandefasan’i Camille Vital taratasy miangavy azy ireo hanolotra anarana hotendrena ho minisitra ny tenany. Nanaovany setriny ampahibemaso izany ka nilazany fa “tokony hiandry ny FAT ka raha te hanolotra anarana amin’ny fanjakantsika izy ireo dia raisina”. Tsy maintsy mandroso isika, hoy izy.

Manohy
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT