Politique

Pr Rafanomezantsoa Roger Marie “Ny fifandeferana no vahaolana ho antsika”


  • Alakamisy 14 Aprily 2011

Minisitry ny varotra tamin’ny Repoblika faha-3 no nahafantarana an’ny Pr Roger Marie Rafanomezantsoa, tompon’andraikitra voalohan’ny CNRIT ankehitriny, mpanao politika tsy dia henoheno firy loatra. Inona no antony ? Ao foana aho, hoy izy.

Tena miaina ao anaty politika tanteraka na dia ao anatin’ny fikambanana RARIVATO (Rassemblement sans rivalité du Tout» tsy manao politika aza. Somary mangingina kely anefa noho ny antony samihafa. Manana ny heviny mahakasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny tenany ka nilaza fa tsy mahagaga ny fisehoan-javatra tamin’ny fanaovan’ny COI sy ny OIF dingana fanelanelanana farany teo satria mahazo baiko amin’ny Frantsay izy ireo. Mazava, hoy izy, fa ny ambaindain’ny zava-drehetra dia hidiran’ny Frantsay avokoa.

Mikasika ny famahana ny krizy mivantana dia nilaza ny Pr Rafanomezantsoa Roger Marie fa ny olon-drehetra dia samy miezaka mandeha araka ny mahamaika azy avy fa ny lojika fotsiny dia heverina fa tsy mbola mahavaha olana hatreto ny zavatra rehetra natao. Ny tsapa tamin’ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana teny Ivato ireny dia teo ny maro tamin’ny masoivoho vahiny miasa eto amintsika nanotrona izany ankoatra ny Amerikanina. Natsangana ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena, tsy nisy tonga teny an-dapa ry zareo na nandefa taratasy fiarahabana koa. Hita taratra amin’izany fa tsy mbola azo ny fankatoavana iraisam-pirenena ho antsika.

Tsy mbola nahavaha ny olana ilay izy. Raha ny vahaolana avy amiko no anontanianareo, hoy ny Pr Rafanomezantsoa Roger Marie dia tokony hisy ny fandeferana kely eo amin’ny rehetra amin’ny lafiny rehetra. Raha tsy izay no miseho dia vahaolana an-kery sy am-basy tahaka ny any Côte d’Ivoire sy any Libye … no atahorako hitranga eto”. Dia hambakan’ny zava-nisy tany Hirosima sy tatsy Afrika Atsimo tamin’ny fanavakavaham-bolonkoditra ireny ve isika ? “Tsy tokony hisy ny fanilikilihana fa tokony haseho ny fifandeferana”, hoy ity mpanao politika ity. Raha izay no tanteraka dia isika no ho modely amin’ny famahana krizy aty Afrika”.

 
Manohy
 

SARY : Profesora Rafanomezantsoa Roger Marie (Rarivato)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT