Navantambantan’ny Tia Tanindrazana tamin-dRtoa Blanche Nirina Richard ny fanontaniana samihafa noho izy sy ny fikambanana CSR-AN (Comité pour la Sauvegarde et la Refondation Authentique de la Nation) tarihiny tsy naharenesam-peo nandritra ny fotoana naharitraritra izay nefa ny firenena mbola ao anatin’ny olana saro-bahana mila ny olom-pirenena rehetra hitondra ny heviny. Nahitsy sy nivantana koa ny valiny azo taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Taiza foana ianao Rtoa Blanche Nirina, toa tsy naharenesam-peo firy intsony tao ho ao ?
Rtoa Blanche Nirina (R.B.N) : “Raha ny tena izy dia tokony tsy hiteny mihitsy aho fa misy fotoana hanginana ary misy ny fotoana hitenenana”.
T.T : Kivy tamin’ny tsy fihainoana anareo ve sanatria ?
R.B.N : “Hatreto dia betsaka ny fanehoan-kevitra niseho anisan’ny nampiseho ny anay izahay nefa zavatra hafa no natao. Fanapahan-kevitra hafa no noraisina nefa tsy mbola nisy nahavaha ny krizy eto amintsika ireny hatramin’izao”.
T.T : Misy soso-kevitra ve avy aminareo hivohana amin’ity krizy ity ?
R.B.N : “Raha tena hiala amin’ny krizy isika dia tokony hodinihana avokoa ireny sori-dalana samihafa mivoaka ireny, na avy amin’ny iraisam-pirenena izany na avy amin’ireo ankolafy rehetra misy eto amin’ny firenena. Jerena miaraka ny olana misy ao amin’izy ireny ary haravona izay hifanarahana. Efa eken’ny rehetra fa ny fanatanterahana ny fifidianana ihany no vahaolana matotra hivoahana amin’izao krizy izao ka heverinay fa izay antoko rehetra vonona hiatrika ny fifidianana dia tokony hanolotra olona ao amin’ny CENI mba hisian’ny fikarakarana izany fifidianana izany heken’ny rehetra. Hatramin’izay mantsy dia fifidianana tsy neken’ny rehetra foana no niseho teto”.
T.T : Mbola mifanaraka tsara ve ny CSR-AN rehetra ?
R.B.N : “Rehefa hitanay fa tsy nandeha any amin’ny nifanarahana ny tetezamita nitsangana dia nanangana ny fikambanana CSR-AN izahay niainga avy amin’ilay fiarahamonina sivily niandohany ihany. Tsy miova amin’ny hevitra nijoroana hatrany am-boalohany izahay dia ny firosoana any amin’ny fanovana marina izay miompana amin’ny zava-droa loha : ny fiovana mendrika kokoa mitaky mpitondra mendrika kokoa mazava loatra. Faharoa, fanovana ahitana fiainana metimety kokoa ho an’ny vahoaka tsy an-kanavaka. Ho anay dia tokony hiainga avy any ifotony (fifidiana Fokontany dia miakatra hatrany hatrany tonga any amin’ny fifidianana filoham-pirenena) no atao. Azo atao koa anefa ny tonga dia ampiarahana avokoa ireo fifidianana rehetra tokony hatao rehefa jerena ny lafiny teknika sy ara-bola azo anaovana izany. Aminay aloha tsy izy mihitsy ny fialana bala amin’ny hoe olana iraisam-pirenena no mahatonga izao zava-misy eto amintsika izao, ny fahasahiranam-bahoaka, ny tsy fandriampahalemana … fa lasa mampieritreritra ny amin’ny fitondrana ity firenena ity”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.