Tsy tokony ho nitarazoka tahaka izao mihitsy ny famahana ny krizy, ary tsy nitatra be ny adihevitra momba ny famotsoran-keoka raha toa ka notanterahina ny fifanarahana vita sonian’ireo filohan’ny ankolafy 4 tany Maputo sy Addis Abeba, hoy ny profesora Ange Andrianarisoa mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Ratsiraka.
Nisy fifanarahana politika telo tany Maputo araka ny fanazavany, ka voalohany tamin’izany ny hanafoanana ny heloka ireo rehetra voarohirohy tamin’ny raharaha 2002, faharoa kosa dia ny fanafoanana ny raharaham-pitsarana momba an’Atoa Marc Ravalomanana, manampy io dia afaka miverina eto an-tanindrazana izy rehefa tafapetraka ny fitoninana ara-politika sy ara-tsosialy, ary andininy fahatelo amin’io fifanarahana politika io ny fanafoanana ny fanamelohana ireo rehetra voakasiky ny raharaha 2009.
Zavatra tsy maintsy andalovana izany raha toa ka te hametraka ny fitoniana isika, hoy ny Pr Ange Andrianarisoa, ary efa azo nampiharina tamin’ny 2009, kanefa dia tsy tanteraka moa ilay izy noho ny fizirizirian’ny ankolafy Rajoelina. Ankehitriny dia tsy mora ny raharaha, hoy izy satria olom-boatendry fa tsy olom-boafidy ao amin’ny CT sy ny CST no handinika sy handany io famotsoran-keloka io. Nampatsiahy ity lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko Arema ity fa ny fizarana seza ao anatin’ny governemanta no nampikatso ny resaka tany Maputo sy Addis Abeba fa afaka nampiharina tsara ilay fifanarahana politika telo voalaza tetsy ambony, saingy tsy tanteraka moa izany ; raha efa natao anefa io dia mety haingana kokoa ary tsy nahitana adivarotra sy ady seza be tahaka ny misy amin’izao fotoana ny famahana ny krizy, araka ny nambarany ihany.
Maro no mitovy hevitra amin’ity mpanao politika ity raha mahita ny zava-misy amin’izao fotoana, satria hita taratra fa roa taona taty aoriana, dia ny zavatra nodinihana sy vita sonia tany Maputo ihany no ezahana ampiharina eto, ary ny tena marina koa dia tsy afaka miala amin’io isika raha te hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena, izay katsahan’ny FAT mafy na dia be hambo milaza ny mifanohitra amin’izany aza ireo mpitondra ao anatin’ny tetezamita. Araka ny fantatra tamin’ireny resaka Maputo ireny dia ny fepetra ao amin’ilay fifanarahana politika faharoa mikasika an’Atoa Marc Ravalomanana amin’ny fanafohanana ny raharaham-pitsarana sy ny mety ho fiverenany an-tanindrazana no tsy levon’ny vavonin’ny ankolafy Rajoelina, ny nahagaga anefa dia nanasonia an’io an-kalalahana ny filohan’ny FAT, ary ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy te hahalala, fa tsy maintsy tanterahana sy ampiharina izay fifanarahana vita sonia, resabe fotsiny ny ankoatra izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.