Politique

Pr Ange Andrianarisoa Lôjika ny fanapahan-kevitry ny SADC


  • Alakamisy 26 Mey 2011

Tsy tokony hifandroritana mihitsy ny fandikana ny fanambaran’ny Sadc raha ny filazan’ny Profesora Ange Andrianarisoa, mpitarika ny ankolafy Ratsiraka.

 Tsotra ary tsy tokony hohasarotina ny zava-nitranga tamin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ireo filoham-panjakana tao amin’ny Sadc ny 20 mey lasa teo. Araka ny filazany dia nihaino ny tatitra nataon’Atoa Chissano izy, nijery ny momba ilay sori-dalana sy ny fandraisan’ireo ankolafy politika isan-karazany azy ary nikaroka ny fomba tena mahomby handravonana farany ny hevitra tsy mitovy rehetra ka hivoahan’ny vahaolana tena izy handaminana ny krizy malagasy. Araka ny nambaran’ity mpanao politika ity dia tsy manan-kambara firy ny amin’iny fehin-kevitra navoakan’ny Sadc iny ny tenany satria lojikan-javatra ihany ireny ka tsy tokony hasiana sira be loatra. Ho an’ny ankolafy Ratsiraka manokana kosa dia mbola miandry ny fanasana izay tokony hiantefa any amin’ny amiraly Didier Ratsiraka izy ireo ka aorian’izay vao hisy ny fifampidinihana ary hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny hevitr’ity ankolafy ity na hanatrika ny fihaonana any Gaborone izy ireo na tsia.

Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy anefa dia efa mazava ny resaka fa ho tonga masiaka any Gaborone tahaka ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert ny ankolafy Ratsiraka ary hiaro hatramin’ny farany ny foto-kevitra ijoroany dia ny fiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny fanajana ny lalàna ary fampiharana izay nosoniavina. Tsy hiova amin’ny heviny ny ankolafy Ratsiraka, araka ny fahitan’ny maro azy tahaka ireo ankolafy 2 miara-dia aminy fa dia mitaky ny hampiharana ny efa noresahana tany Maputo dia ny fananganana tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra ary tsy mitanila any amina ankolafy izatsy na izaroa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT