Mbola ankamantatra aloha hatreto ny hisian’ny fivoriana tsy ara-potoana ataon’ireo filoham-panjakana 14 eo anivon’ny SADC mba handinihana ny raharaha Madagasikara araka ny toromarika avy amin’ny Troika.
Samy manana ny fomba fiasany sy ny fomba fijeriny ity raharaha ity ireo etamazaoro politika. Ho an’ny ankolafy Ratsiraka, araka ny nambaran’ny Profesora Ange Andrianarisoa, dia tsy mbola tafavoaka ny ala mihitsy ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana, ary tsy manaiky azy ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo fikambanana isam-paritra tahaka ny SADC, na da tsy nisy aza ny fanambarana ofisialy manakiana na mitsipaka ilay sori-dalana natao rangopohy teny Ivato tamin’ny 9 martsa lasa teo. Ny antony dia fahefana norombahana teny an-dalambe ny an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009, izay nanosihosy sy nanao tsinontsinona ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy ny sata mifehy ny SADC sy ny vondrona Afrikanina izay samy maha mpikambana feno an’i Madagasikara. Izay no zava-nitranga ka tsy azo kosehana ary tsy miova amin’ny fomba fijeriny sy ny heviny, araka ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenena manan-kery sy neken’ny rehetra ny vondrona iraisam-pirenena, hoy ny Pr Ange Andrianarisoa. Aminy dia tsy misy afa tsy fiverenana amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiraharahana eo amin’ireo ankolafy politika nifanolana sy tsy mitovy hevitra ihany ny vahaolana.
Nilaza ary ity mpitarika ny ankolafy Didier Ratsiraka ity fa «manana ny heviny sy ny paikadiny handaminana ny olana misy eto ny any ivelany fa mila mandray andraikitra ihany koa isika Malagasy ka hahay hifampihaino sy hifampiresaka. Ny olona tsy mitovy hevitra no mifampiraharaha sy miady hevitra fa tsy ny olona na ny vondrona politika efa mitovy hevitra. Misy ny zavatra mampifanolana matoa misy ny krizy, ka aleo miresaka sy mifampiraharaha mba hikarohana vahaolana amin’izany».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.