Politique

Politika maloto Mbola ilaina ve ny Fitsarana ?


  • Alarobia 16 Martsa 2011

Efa nahiahian’ny mpanara-baovao ihany ny zavatra mety hitranga. Namaly ny fiantsoana azy teo anivon’ny DST, omaly, ny Sekretera jeneralin’ny Tiako I Madagasikara sady mitarika ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, Atoa Mamy Rakotoarivelo.

Tsy niandry ela fa nasaina nojeren’ireo olona izay voarohirohy fotsiny ihany ny tenany dia notazomina avy hatrany. Tsy izy ihany fa ny mpamiliny sy ny mpiambina azy ihany koa. Notazomina ihany koa ny mpanolotsainy iray niaraka tamin’ny fiara 4x4 Toyota V8 miloko mainty izay mpitondra azy. Anio, araka ny fantatra, no hitondrana an’ireo olona ireo eo anivon’ny Fampanoavana. Fanohintohinana ny filaminana anatiny no mahavoarohirohy azy ireo. Izany dia mahakasika indrindra ny filazana fa misy mikasa ny hifofo ny ain-dRajoelina ny 3 martsa lasa teo. Olona roa no nosamborin’ny DST ary ireo no nilaza fa i Mamy Rakotoarivelo no ao ambadiky ny raharaha. Ny tapak’andro maraina dia tao amin’ny biraon’ny DST Antaninarenina no nihainoana ireo olona ireo. Ny tolakandro kosa dia nafindra teny amin’ny biraon’ny polisin’ny Faritany Ambohidahy ary teny no nanohizana ny fanadihadiana.

Ny hariva dia nanambara teo anatrehan’ny mpampahalala vaovao ny kaomisera Charly Nakany fa notazonina vonjimaika i Mamy Rakotoarivelo sy ny mpamiliny ary ny mpiambina azy. Anio no voalaza fa hitondrana azy ireo eny amin’ny fampanoavana. Izay no mitranga, anatin’ny fotoana ikatsahana fitoniana eto amin’ny firenena. Matihanina no nanao ny fanadihadiana. Olona notsongaina tamin’ny maro ireo matoa hiasa any amin’ny fiadidiana ny FAT izany.

Na izany aza maro ny zavatra manahirana ka tsara mba itondrana fanamarihana manodidina azy ity. Voalohany, nasaina nitantara tamin’ny antsipirihany teo imason’ny mpanao gazety ny fifandraisany tamin’Atoa Rakotoarivelo, ny iraka nampanaovina azy ireo (raha nisy an’izay tokoa) sy ny fifanarahana tao anatin’izany ireo lehilahy roa mpanatanteraka ny fanapoahana teny Masay. Tsy voahaja ny tsiambaratelon’ny famotorana teto, izay ny lalàna mihitsy no mametra izany.

Faharoa, ny famelana ireo olona roa ireo hanao tantara valamaty izay tiany holazaina, mba hiampangana olon-kafa, izay tsy navela nohenoin-teny akory rehefa samy hampitenenina ihany, dia tsy manaja fa manohihosy tsotra izao ny zon’ny voampanga.

Fahatelo, ny famborahana tamin’ny haino aman-jery ho fanta-bahoaka ny singam-pamotorana iray dia mitory mazava fa tsy matoky ny fitsarana ny DST, izay lasa rantsana mpanao fanadihadiana ihany koa ankehitriny, ary midika ho fihantsiana ny mpitsara sy mpahay lalàna tsotra izao ihany koa no toa mandrisika ankolaka ho amin’ny fitsaram-bahoaka.

Fahaefatra, miovaova be ihany ny mari-bola lazain’ireto olona roa nasaina niteny omaly ireto fa noraisiny, filazana izay miteraka ahiahy amin’ny fanadihadiana natao. Fahadimy, ny DST ihany no nanaporofo tao anatin’iny famoahana ho fanta-bahoaka ny singam-panadihadiana izay tokony ho tsiambaratelo, fa resabe fotsiny izany tany tsy tan-dalàna izany. Fahenina, eo anatrehan’ireny dia mipetraka ihany ny fanontaniana raha mbola ilaina ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy nanafina i Fetison Rakoto Andrianirina nilaza fa “mampatahotra ny fanaovana politika eto Madagasikara raha toy izao. Na izany aza dia matoky ny fitsarana sy ny mpitsara Malagasy izahay fa hitsangana izy ka hanao ny asany amin’ny tokony ho izy”. Rapelanoro Rabenja (MFM) kosa tetsy andanin’izay nilaza fa “tokony hoeritreretina lalina ny fanapahan-kevitra raisina amin’izao fotoana hikatsahana fahatoniana eto amin’ny firenena izao”.

 
r.d sy Jean D.
 
sary : Notazonin’ny DST i Mamy Rakotoarivelo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT