Ambohipihaonan’ny Malagasy mila ravinahitra any Eoropa, indrindra i La Frantsa, manohitra ny fitondrana teraka tao anaty fanonganam-panjakana, teo amin’ny Kianjan’ny la Bastille ao Parisy ny tolakandron’ny sabotsy 05 febroary lasa teo.
Ireo nifandimby nandray fitenenana dia nanamafy ny fanohanan’izy ireo ny hetsi-bahoaka ao amin’ny Magro mitaky ny fiverenan’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana an-tanindrazana, ho fiarovana ny safidim-bahoaka ny taona 2006. Nisy mihitsy aza ny antso hanaovana hetsika toy ny mitranga any amin’ny faritr’i Maghreb amin’izao fotoana. Ny sasany indray nilaza fa tapi-dalan-kaleha tamin’ny fikatsahana fankatoavana iraisam-pirenena ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ary mitaky mihitsy ny fialan’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy. Nanamafy izany ireo sorabaventy tazana nirenty tao an-toerana nandritra ity hetsika izay nokarakarain’ny GTT (Gasy Tia Tanindrazana) ity. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’ity hetsika ity ny senatera Naika Eliane.
Fa niditra an-tariby nivantana ary re nanakoako tao amin’ity Kianja la Bastille ity Atoa Marc Ravalomanana io sabotsy io. Nitondrany fanazavana ny amin’ilay sori-dalana naroson’ny Dr Leonardo Simao, nahabe resaka teto, ka nilazany fa na ny Vondrona Afrikana, na ny SADC na ny filoha Chissano dia samy tsy nisy nahalala ny fisian’iny taratasy lazaina fa mirakitra ny sori-dalana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy iny. Tamin’ny teny hentitra no nilazan’Atoa Marc Ravalomanana fa «tsy hanao sonia izany taratasy tsy fanta-piaviana izany» ny tenany. Nohamafisiny nandritra io fidirany mivantana io koa ireo fitoriana napetrany teo anivon’ny Fitsarana malagasy taorian’ireo fieken-keloka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina sy ny jeneraly Noël Rakotonandrasana.
Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena moa ny tenany, mba hihevitra izany ho zava-dehibe, indrindra amin’ny fikatsahana vahaolana handaminana ny krizy eto Madagasikara. Araka ny fantatra dia tonga nanatevina ity hetsiky ny GTT ity koa ireo vondrona Panafrikana raha tokony hihazo ny «Place de la République». Tamin’izany no nanakianan’ny ministry ny raharaham-bahin’i Gabon teo aloha, sesitany any Frantsa, ny fihetsiky ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny Frantsafrika mikasika an’i Afrika ka ao anatin’izany i Madagasikara. Nanamafy ny GTT fa tsy hitsahatra ny hetsika ataon’izy ireo raha tsy mirodana ny fitondrana tondroin’izy ireo fa “tsy refesimandidy” tarihin’i Andry Nirina Rajoelina.
Sary : Hetsiky ny GTT tao amin’ny Place de la Bastille ny sabotsy 05 febroary 2011
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.