Politique

Pierrot Rajaonarivelo Naleony nanamafy ny MDM


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Herintaona nijoroana ny Mientana ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (MDM). Hetsika tao amin’ny Carlton nisiana fanaovan-tsonia fifanarahana no nanamarika izany, herintaona lasa.

Taorian’izay dia nitety faritra nampahafantatra sy nanangana rantsana MDM i Pierrot Rajaonarivelo, filohany. Vovonana ivondronana antoko sy fikambanana mandala ny demokrasia izy ity. “Tsy mialonjafy sady tsy manam-pahavalo amin’ny antoko, fa fahantrana no fahavalo” izay no ambetin-tenin’ny filoha mpanorina azy amin’izay toerana nalehany, ary mbola nohamafisina nandritra ny hateloana nanamarihana ny faherintaona nijoroan’ny MDM teto an-drenivohitra, izay nosantarina tamin’ny atrikasa narahina fifampizarana traikefa teny amin’ny Panorama Andrainarivo, notohizana tamin’ny hetsika manana endrika kolontsaina nampiraisana ny faritra 22 tao Antsahamanitra, nisy koa ny fotoana nihaonany tamin’ireo solontenan’ny MDM avy amin’ny faritra 22 teny Ambohipo ny sabotsy tolakandro teo, ary nofaranana tamin’ny alim-pikoranana tao amin’ny Espace Salohy Iavoloha ny alin’ny sabotsy 29 janoary teo. Nandray anjara hatrany tamin’izany i Pierrot Rajaonarivelo, izay tsapa fa dia naleony manamafy ny MDM toy izay hiantehitra amin’ny Arema na dia nandeha tamin’ny fambolen-kazon’ny Arema aza izy io sabotsy io. Nambarany hatrany fa dia vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hitranga ny MDM.

 
Jean D.
 

Sary : Fidiran’ireo solontena MDM avy any amin’ny faritany tao Antsahamanitra (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT