Politique

Pierrot Rajaonarivelo Mampiahiahy …


  • Alarobia 30 Martsa 2011

Iray amin’ireo mpanao politika efa nanambara ampahibemaso fa hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Pierrot Rajaonarivelo, Sekretera nasionalin’ny Arema ary ankehitriny filohan’ny vovonana Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na MDM.

Mbola nanamafy fa ho kandida ny tenany nandritra ny dinika nanasan’i Andry Rajoelina ireo mpanao politika teny amin’ny Ivontoerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena Ivato ny alarobia 02 martsa 2011, nandinihana izay fanapahan-kevitra horaisina momba ny sori-dalana hivoahana amin’ny krizy. Sady mampametra-panontaniana anefa no mampiahiahy ny fanapahan-kevitra sy ny safidy noraisin’i Tonton Sôla taorian’izay, izay mitsimbadimbadika hatrany. Nipoitra tampoka tao anatin’ireo kandida fito, naroson’ireo vondrona politika nanao rangopohy ny sori-dalana teny Ivato, mba hifantenan’i Andry Rajoelina izay ho Praiministra ny tenany. Ny jeneraly Albert Camille Vital no niantefan’ny safidin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ka naveriny ho praiministra. Akory indray anefa hagagan’ny rehetra fa ilay kandida filoham-pirenena, nikasa ho Praiminisitra dia nanaiky hotendrena ho ministra. Minisi-panjakana misahana ny toekarena sy ny indostria izy.

Governemantan’ny fampiraisam-pirenena moa no atao anarany, nefa ny mpanendry ireo mpikambana ao dia ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, filoham-panjakana, izay tsy ankatoavin’izao tontolo izao noho izy nitarika fanonganam-panjakana tamin’ny martsa 2009. Maro no miahiahy amin’ity fihetsiky ny filohan’ny MDM ity. Anisan’ireo izay naneho ny ahiahiny ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara araka ny fanambarana nataony ny 27 martsa. Ny tsy azo lavina anefa dia nanohana ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina i Pierrot Rajaonarivelo tamin’ny 2009. Koa mety ho valim-pitia tamin’izay fandraisany anjara izay no nanendrena azy ka nanekeny hiditra ao anaty governemanta Vital io. Izy sy i Yves Aimé Rakotoarison, ity farany izay nisintaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana, tamin’ireo fito kandida praiministra no niditra anaty governemanta.

Raha mitana ny teniny fa ho kandida filoham-pirenena i Pierrot Rajaonarivelo dia mampametra-panontaniana ihany ny nanekeny ho ministra nefa tsy maintsy hametra-pialana, roa volana mialoha ny androm-pifidianana, izay heverin’ny FAT hatao amin’ny septambra 2011, raha tsy hoe misy fifanarahana miafina any. Ao anaty governemanta ve izy izany no hanomana, ara-bola indrindra indrindra, ny fiatrehany ny fifidianana filoham-pirenena ? Vao mainka mampitombo izay ahiahy izay ny fameperana nataon’i Andry Rajoelina amin’ny tsy maintsy hanaovan’ireo ministra tsirairay avy fanambaram-pananana sy ny tsy hampiasana fitaovam-panjakana amin’ny asa ivelan’ny asam-panjakana. Marihina fa nitsoaka nanao sesitany ny tenany tany Frantsa i Pierrot Rajaonarivelo taorian’ny raharaha 2002, izay nanenjehan’ny fitsarana ka nanamelohana azy higadra noho ny resaka firaisana tsikombakomba amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Anisan’ireo mpanao politika miandrandra famotsoran-keloka ny tenany, nefa moa dia notendrena ho ministra.

Jean D.

Sary : Pierrot Rajaonarivelo, filohan’ny MDM, kandida filoham-pirenena (sary : Rakotobe Michel)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT