Politique

Pierrot Rajaonarivelo Ho kandida filoham-pirenena


  • Alakamisy 03 Martsa 2011


Ankoatra ireo hevitra fototra niraisany tamin’ireo mpanao politika rehetra nanao fanambarana iombonana teny Ivato omaly dia toy ny “baomba” ho an’ny rehetra tao amin’ny efitrano fivoriana ny nanambaran’i Pierrot Rajaonarivelo tamin’ny alalan’ny MDM sy ny AREMA fa vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana rehetra izy ireo ary “tsy miolakolaka fa vonona handray anjara amin’ny fifidianana ny tenanay”, hoy izy. Teo imason’ireo mpanao politika rehetra nahatratra 150 niaraka tamin’ny Filohan’ny FAT Andry Rajoelina no nanambarany ampahibemaso izany, nanararatra ny fahamaroan’ny mpanao gazety tonga teny an-toerana.

Nanaitra ny maro ihany ny nisafidianan’i Pierrot Rajaonarivelo io fotoana io nilazany izany filatsahan-kofidiany io, raha tsy hoe angaha hisy amin’ireo antoko nivory tao hanapa-kevitra ka hanohana azy avy hatrany amin’izany. Fa soso-kevitra iray narosony moa ny hikirakirana ny fifidianana amin’ny alalan’ny ordinatera any amin’ireo biraom-pifidianana 18.000 manerana ny Nosy mba hampanara-penitra ny vokatra ho azo sy hampahaingana izany ho ao anatin’ny 15 andro raha ela indrindra.

 

Manohy

 

SARY : Atoa Pierrot Rajaonarivelo, filohan’ny MDM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT