Politique

Pierrot Rajaonarivelo Be fitetika ve sa … ?


  • Alakamisy 12 Mey 2011

Hanara-dia an’i Tovonanahary Rabetsitonta i Pierrot Rajaonarivelo raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy. Tsy ny bika na ny endrika akory no tian-kambara amin’izany fa ny toeran’izy ireo eo amin’ny tontolo politika.

 Antoko tena natanjaka, nanam-bola ary nantenain’ny olona maro be tany amin’ny faramparan’ny taona 90 tany ny Grad Iloafo, nitovy lenta tamin’ny AVI sy ny Leader Fanilo. Maro ny fomba fijery sy hevitra vaovao nentin’ity antoko ity, Rabetsitonta moa dia mpahay toekarena, tahaka ny ankamaroan’ireo lohandohan’ny mpisorona tao amin’ny Grad Iloafo, ary fehezanteny nampalaza azy ilay hoe : «tsy lahatra akory ny fahantrana». Nifandimby teny ny volana sy ny taona, maro be ihany koa ny zavatra nifamahofaho teto amin’ny firenena, ary nanana olana ara-bola noho ny fandraharahana nataony i Tovonanahary Rabetsitonta koa dia niha lefy laza ihany koa ny antoko noforoniny ary tena adinon’ny olona tanteraka mihitsy.

Manampahaizana manana ny maha izy azy Rabetsitonta kanefa tsy nety nahazo ny toerana mendrika sy sahaza ny fahaizany mihitsy ary tsy nety nisongadina teo amin’ny sehatra politika, nitsingevaheva teny ny Grad Iloafo ary dia vaky mihitsy moa ny antoko ny farany satria nanomboka nifanipaka ihany koa ny fomba fijerin’ireo mpitantana. Valo taona i Pierrot Rajaonarivelo no tsy teto an-tanindrazana, ary maro no niandrandra azy satria raha ny tombantomban’ny olona dia ity zanak’Anosibe an’Ala ity no mety hahatohitra ka haharesy an’i Marc Ravalomanana raha misy ny fifidianana. Tsy afaka nilatsaka hofidiana anefa izy tamin’ny 2006. Roa taona sy tapany taorian’izay dia nirodana ny fitondrana Ravalomanana, afaka niverina an-tanindrazana i Pierrot Rajaonarivelo. Anisan’ireo nanohana an’i Andry Rajoelina izy, avy eo somary nipetraka ho elanelam-panahy teo amin’ny FAT sy ny ankolafy 3.

Nananganana ny vovonana MDM na Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagaskara izy, ary milaza ihany koa fa mbola Sekretera nasionalin’ny antoko Arema. Tafiditra ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena moa ankehitriny i Pierrot Rajaonarivelo rehefa tsy voantendry praiminsitra, saingy tsy hita marina izay zavatra tena ataony, tsy mazava amin’ny olona ny foto-kevitra ijoroany, manjavozavo ny fomba fanaovany politika, ka mahatonga ny maro mieritreritra fa hadinon’ny tantara tsimoramora eny ity praiministra lefitra tamin’ny governemanta Tantely Andrianarivo ity ary mety hidaraboka mihitsy aza satria sady misabaka izy no mitsambiki-mikipy. Raha tena raikitra ny fifidianana filoham-pirenena dia mety ambikambim-bato sisa no ho azony raha vao kandida Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Ary mety ho rava ho azy na hizarazara ny MDM, moa mety tsy hatoky azy intsony ny Arema nanara-dia azy hatramin’izay. Ireo mpandinika ny raharaha politika eto amintsika dia mahita fa be fitetika loatra Rajaonarivelo varimbarian’ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso, ary tena nijabaka sy nanaratsy tena raha niditra tao amin’ny governemanta mety ho rava atsy ho atsy io.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT