Politique

Pierre Andrianantenaina “Hiteraka krizy hafa ilay sori-dalan’i Simao”


  • Alarobia 02 Febroary 2011


“Raha misy ny volavolam-pifanarahana atao hivoahana amin’ny krizy dia tsy tokony hiteraka krizy hafa indray izany», hoy ny filohan’ny antoko Farimbona ho an’i Madagasikara Vaovao sady mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), Pierre Andrianantenaina. «Heverinay fa hiteraka krizy vaovao anefa ity sori-dalana natolotr’Ingahy Simao ity», hoy izy, satria nesorina tao ny voalaza tao amin’ny fifanarahan’Ivato nilaza fa tsy afaka manala amin’ny toerany ny CT sy CST ny Filohan’ny tetezamita an-daniny ary ny CT sy CST koa tsy afaka manala an’izany Filohan’ny Tetezamita izany.

Mbola novana koa ny andininy faha-9 ka natao safobemantsina ny hoe tsy maintsy mametra-pialana avokoa ireo mpikambana rehetra mitantana ao amin’ny tetezamita ankehitriny rehefa hiatrika ny fifidianana. Raha ny an’ireo mpanatanteraka mpikambana ao amin’ny governemanta dia rariny izany, hoy ity filohan’ny antoko Farimbona ity, fa raha ireo CT sy CST kosa no takiana amin’izany dia hisy fahabangana lehibe hiseho eo. Mikasika ny famotsoran-keloka kosa dia tsy manisy olana ny amin’izany ity filohan’Antoko ity raha voaporofo fa tena ara-politika tokoa no nahazo ilay olona, hoy izy, saingy raha heloka kosa tahaka ireny manodinkodim-bolam-panjakana ireny dia tsy tokony hahazo izany mihitsy.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT