Ho an’i Paul Rabary, mpandinika ny fiarahamonina, dia tsy hisy vahaolana firy azo antenaina avy amin’ny fanelanelanan’ny Sadc satria toa mihodinkodina ihany araka ny fahitany azy ny fomba fiasan’ity vondrona ity
Nanamafy izy fa tsy «unilateral» na narafitr’ankolafy tokana izany ilay sori-dalana fa avy amin’ny Sadc satria ity farany no naniraka sy nanome alalana ny Dr Leonardo Simao handaminany krizy eto Madagasikara. Diso hevitra ny Ankolafy telo araka ny filazany raha mandany andro milaza fa «unilatéral» iny sori-dalana iny, fa na izy ireo manaiky dia miditra ao anatin’ny rafitra na mitsipaka dia tsy miditra fotsiny. Nitsotra anefa i Paul Rabary fa tena mitongilana be loatra any amin’ny FAT ilay sori-dalan’ny Sadc tamin’ny endriny voalohany ary tsy hamaha mihitsy ny krizy misy eto, miampy izay dia nilaza izy fa ireo nanao rangopohy ilay sori-dalana sy milaza fa hanao sonia izany ato ho ato mihitsy no tsy manaja sy tsy mampihatra araka ny tokony ho izy ilay izy. Ohatra noraisiny hanaporofoana izany ny hoe : tsy mety mihitsy ny famerenana amin’ny toerany ny praiminisitra Camille Vital izay efa notendren’i Andry Rajoelina tamin’ny desambra 2009 ary hita mazava be izao fa mpomba ny ankolafy Rajoelina, tahaka izany koa ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Rasolosoa Dolin izay efa niara-niasa tamin’i Andry Rajoelina fony izy Ben’ny tanàna, ary ny filohan’ny tetezamita moa dia na ny anarany aza efa miteny ho azy fa ankolafy Rajoelina izy.
Ny mpikambana any amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Kongresy ary ny governemanta anefa dia mbola maro an’isa no manana fironana mitovy sy mifanakaiky amin’ny ankolafy Rajoelina, koa tsy tokony hahagaga hoy i Paul Rabary raha tsy ankatoavin’ny rehetra ilay fitondrana tetezamita ary dia tsy maintsy mbola hisy indray ny fivoriana hiadian-kevitra. Aminy anefa dia tsy hahavaha ny krizy mihitsy ny Sadc fa ny samy Malagasy ihany no mila mifandamina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.