Politique

Paul Rabary Aleo foanana ny CT sy ny CST …


  • Alarobia 04 Mey 2011

Ho an’i Paul Rabary, mpandinika ny fiarahamonina, dia tsy tokony homena karama mihitsy ny mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita izay olom-boatendry fa tsy olom-boafidy, ary tokony hanaiky izany fanapahan-kevitra izany izy ireo raha tena tia tanindrazana marina.

Hatramin’izay nisiany dia tsy hita mivaingana mihitsy ny tena asan’ny Parlemanta ato anatin’ny tetezamita, araka ny fanazavany fa ny misy aloha dia mandany ny volam-bahoaka, migalabona amin’ny fiara 4X4 sy mamorona izao karazana fitsidiham-paritra rehetra izao ireo mpikambana ao. Nomarihany fa tsy fifanarahana eo amin’ny samy mpanao politika mba hizarana seza sy tombontsoa mihitsy ny hoe demokrasia fa fitsinjovana ny fiainam-bahoaka amin’ny alalan’ny rafitra nifanekena araka ny hevitry ny maro an’isa kanefa mihaino ny ambaran’ny vitsy an’isa ihany koa. Tsy mitovy mihitsy ary tsy tokony hampitoviana na dia samy ao anatin’ny rafitra tetezamita aza ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny mpikambana Kongresy na Filankevitra ambonin’ny tetezamita, araka ny filazan’i Paul Rabary satria hita sy re isan’andro ary hita ho mivaingana ny asan’ny governemanta sy ireo rantsamangaikany isaky ny ministera sy ny sampandraharaham-panjakana maro hafa, saingy tsy fantatra mazava kosa ny tena ataon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita fa dia mivorivory sy mandany ny volam-bahoaka fotsiny.

Raha nitaky solon-tsakafo 30 000 ariary anefa ireo olona nivory teny amin’ny fihaonambem-pirenena dia nokianina mafy sy narirarira, ka nahoana no omena 3 tapitrisa ariary isam-bolana ny mpikambana Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita kanefa tsy manana anton’asa mazava akory, hoy ihany ity mpandinika ny fiarahamonina ity. Ny namaranany ny fanehoan-keviny moa dia ny hoe tsy vahaolana ny fanitarana ny parlemanta ary rehefa tsy mazava ny fahefana sy ny asan’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita dia tokony hofoanana izy ireo fa mandany volam-bahoaka fotsiny, ka rafitra hafa milamina sy manara-penitra kokoa no asolo azy.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT