Politique

Pastera Mailhol ”Mizotra mankany amin’ny Apokalipsy 2013 isika izao”


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Miha manakaiky ny taona 2013 izay ambaran’ny pastera Mailhol fa handraisany ny fitondrana ny firenena. Miezaka manaparitaka mafy ny fikambanana Apokalipsy, araka izany, ity milaza azy ho mpaminany ity.

Manana trano fiangonana 300 manerana ny nosy ny Apokalipsy saingy tsy mbola vakiny ireo faritra saro-dalana. Nividy fiara tsy mataho-dalana hiaka farany “hummer double pont” iray miampy “Porsche Cayenne” iray hanaovana fitetezam-paritra amin’ireny toerana lavitra andriana ireny ny fikambanana izay natolotra ny sabotsy 29 janoary lasa teo. “Tafiditra ao anatin’ny hetsika Gideona nobanjinina nandritra ny taona 2010 ary tohizana amin’ity 2011 ity ny fahazoana ireo fiara ireo. Hazakazaka fitoriana filazantsara no atao.

Afaka mandre ny vaovao mahafaly avokoa ireo mponina any Mahanoro, Tanambao Manampotsy, ary Marolambo”. Nohamafisin’ny pastera Mailhol koa fa efa mizotra amin’ny Apokalipsy 2013 ny fiangonana amin’izao fotoana. “Kely sisa dia ho tontosa ny faminaniana”, hoy hatrany izy. Fa ankoatra ireo fiara dia nahazo fitaovana fampielezampeo ampiasaina amin’ny onjampeo sy fahitalavitra ny fikambanana Apokalipsy.

Hisokatra tsy ho ela ny onjampeo Fanambarana any Ambatondrazaka, Antsirabe ary Ambositra rehefa nahazo alalana avy amin’ny ministeran’ny fifandraisana. Eto Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina ary Mahajanga kosa no heverina hasiana fahitalavitra. Momba ny raharaham-pirenena dia manentana ny mpanao politika rehetra mba samy hampandefitra ny hambom-pony ny pastera Mailhol. “Raha sanatria tsy mahita fifanarahana ara-politika mazava isika dia mety hifamono ny samy Malagasy”.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT