Politique

Pasitera Edouard Tsarahame “Tsy hampangina anay ny sazy mihantona”


  • Alatsinainy 14 Febroary 2011

Nanamarika ny hetsika tamin’ny sabotsy tao amin’ny Magro ny fandraisam-pitenenana sy fijoroana vavolombelona nataon’ireo gadra politika isany, Zafilahy Stanislas sy pasitera Edouard Tsarahame.

“Nezahina nampanginina izahay fa tantara vaovao no hosoratana”, hoy ity farany, izay nilaza fa “namita iraka izahay tany. Avelao ny sazy ihantona fa tsy hampangina anay izany. Raha tsy mahay mifamela kosa dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara ka izay no ilaina ny fampihavanam-pirenena”. Raha nandray fitenenana kosa i Olivier Rakotovazaha dia nanao fanamarihana fa “izao tontolo izao no nahita fanonganam-panjakana teto. Milahatra anefa ankehitriny ny OIF sy ny COI izay frantsay tao ambadik’izany”.

Ny lafiny sosialy kosa no nisarihan’ny Révérend Ndrianalijohn ny rehetra, ka nilazany fa «mihatra amin’ny kibo ny krizy ankehitriny». «Ariary 100 ny vary iray famarana «madco». Mitombo isa ny mpatory amoron-dalana. Izay ve ilay nampanantenana ?”, hoy izy. Nampian-dRajo izany fa “efa ny mpitondra mihitsy no miteny fa tsy zakan’ny vahoaka ny fiainana”. Nanakoako teny ny fitakiana ny famohana ny Mbs, Radio Fahazavana, Radio Mada, “dia ho hita eo !”.

Manohy

 SARY : Pasitera Edouard

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT