Politique

Paolo Raholinarivo « Andramo samborina ary aho ! »


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Naneho ny alahelony mikasika ny fisamborana natao tamin’ny mpanao gazetin’ny radio Jupiter, Fernand Cello, ny mpanolotsain’ny praiminisitra, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona,

  omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Carlton Anosy nandritry ny fanotronany ny fanokafana ny atrikasa mikasika ny paikady vaovao hanapariahana ny fanampiana ireo kaominina eto amintsika. Eto aho dia miteny fa na meloka ity mpanao gazety ity na tsia, hoy izy, dia nanampy anay fitondrana namoaka ny porofon’ny fanaparam-pahefana ataon’ireo manampahefana, toy ny lehiben’ny faritra ao Ihorombe, ny prokireran’ny repoblika ao Ihosy, ny ben’ny tanàna ao Andohan’Ilakaka ary ny depiote ao Ihosy izay tafiditra ao anaty tambajotran-jiolahy. Amin’izao fotoana, na dia nanome fampiatoana ny orinasa vahiny Gondwana izay mpanao hosoka sy mpangalatra kariera tsy hanohy ny fitrandrahany aza ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany dia mbola manohy izany ihany ity orinasa ity. Tsy to teny ny fanjakana nefa ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra mihitsy no efa nanambara fa handray fepetra amin’ny mpandika lalàna. Manao antso avo amin’ny mpitondra aho, hoy izy, mba tsy hijanona ho vavany fotsiny izany. Manao antso avo amin’ny SEG vaovao, izay nilaza ny hamoana ny kolikoly eo anivon’ny zandarimaria ihany koa handray fepetra fa misy zandary eo ambany fiadidiana miara-miambina amin’ny dahalo ny kariera ao Ilakaka amin’izao fotoana izao. Misy mandrahona moa fa hosamborina aho. “Andramo ahitana azy fa misy ny fitenenana hoe ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra ary misy Andriamanitra”, hoy ny namaranany azy.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

Hijery ny tohiny
FTT