Politique

Otrikafo Tsy hamaha ny krizy ny lalan-kizoran’ny FAT


  • Alatsinainy 09 Mey 2011

Diso lalana ny fitondrana tetezamita, araka ny fahitan’i Andrianjaka Rajaonah, filohan’ny antoko Otrikafo azy.

Aminy dia tsy hisy vahaolana hivoahana amin’ny krizy azo antenaina amin’ny lalan-kizorana safidian’ny FAT. Nambarany fa ampy izay telo taona nihodinkodinana nampijaliana ny vahoaka izay. “Milaza Rajoelina fa hitondra fanovana fa tsy misy izany izao”, hoy ity filohan’ny antoko Otrikafo ity. Milaza ho manana ny fanafody hanasitranana ny firenana koa anefa ny Otrikafo amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra eny ifotony. “Ireo hery politika rehetra dia miantehitra tamin’ny fanelanelanana sahanin’ny vahiny ka nametraka ny “approche par mouvance”, avy eo ny “approche par parti” kanefa tsy maintsy miainga amin’ny vahoaka ihany ny vahaolana izany hoe any anivon’ny Fokontany raha tena tiana ny hivoaka amin’ny krizy” raha ny fanazavan’i Andrianjaka Rajaonah. Momba ny fivoriamben’ireo filoham-pirenena ao amin’ny Sadc ny 20 mey izao izay handray fanapahan-kevitra momba an’i Madagasikara dia nambarany fa tsy hitondra vahaolana koa io. Manizingizina ny tenany fa tsy hisy zava-banona raha tsy mipetraka ny fiandrianam-pirenena sy ny fandraisan’ny Malagasy an-tanana ny hoaviny.

 
Yves
 

Sary : Andrianjaka Rajaonah, Filohan’ny antoko Otrikafo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT