Voaresaka tao amin’ny Magro Behoririka ihany koa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety omaly.
“Malalaka ho an’ny mpomba ny FAT ny asa fanaovana gazety fa tsy ho an’ny ny firenena”, hoy ny Pasitera Edouard. “Mila fahagagana ity firenena ity satria betsaka no marenina, jamba ary moana”, hoy izy. “Ry malagasy, miandry antsika izao tontolo izao ary ho taraiky isika raha kanosa !”, hoy indray ny Dr Julien. “Anatra ho an’izay mpiziriziry ireny nahazo an’i Ben Laden ireny”, hoy i Mamitiana Ravelonanosy.
“Miomàna handray fanjakana” hoy i Mektoub, “Telo taona izay no tsy nahazoan’ny FAT fankatoavana iraisam-pienena ka ao aorian’ny 20 mey dia antsika ny fanjakana”, hoy izy. “Ny fitombon’ny herintsika eto no mampihena ny herin’ny FAT ary izany no mampivezivezy an’ireo”, hoy i Sylvain Ambanja, “Ara-tantara dia volana mey daholo ny tolona teto Madagasikara no nahitana vokany”, hoy i Mamy, Tanora TIM. Toa nanamafy izany tanteraka i Olivier Rakotovazaha nilaza fa “amin’ity volana mey ity no hanaovantsika hetsika hamaranana ny tolona”. “Efa manomboka mirehitra ny afo, hoy ny Sekretera jeneralin’ny MFM ity ary “efa manomboaka mifoha ny ambaratonga rehetra”. “Tsy maintsy ho hitantsika ny lalana hamerenana ny ara-dalàna”, hoy izy namarana ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.