Politique

Olivier Rakotovazaha “Resaka fotsiny raha tsy miverina ny ara-dalŕna”


  • Alatsinainy 02 Mey 2011

Tsy latsaky ny 6% ny harinkarena faobe teto Madagasikara nialoha ny taona 2009, hoy i Olivier Rakotovazaka tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely omaly, nandritra ny fanamarihana ny fetin’ny asa.

 Midika izany fa nisy antoka ny fanatsarana ny fiainan’ny olona tamin’ny ankapobeny, hoy izy. Ankehitriny, voalaza fa ny ampahatelo na ampahefatr’izany sisa no hita ka tsy mahagaga raha mihamahantra ny vahoaka. Ny vahaolana amin’izany, hoy ity Sekretera jeneralin’ny antoko MFM ity, dia tsy misy afa tsy ny fahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny politika eto amintsika. Raha tsy miverina amin’ny ara-dalàna isika dia resaka fotsiny no ataontsika eto. Ho anay mpanohitra, hoy izy, dia mazava tsara fa efa azo tamin’ny volana novambra 2009 ny fankatoavana iraisam-pirenena tamin’ny fanaovan’ireo ankolafy 4 tonta Malagasy voakasiky ny krizy niaraka tamin’ny an’ny solontenan’ny Firaisambe Afrikanina ny Firenena Mikambana, ny SADC ary ny OIF.

Izao mitotototo etsy sy eroa indray mitady izany ary miveri-maina amin’ny aeroplanina. Notsiahivin’ity minisitry ny fitaterana tamin’ny fitondrana Ravalomanana ity, fa ny Amerikanina dia efa naneho mazava ny fanakianana ny fanehoan-kevitra sy ny fanajana ny zon’olombelona eto amintsika. Izao andron’ny 1 volana mey, misy kamio miaramila mihaodihaody ao ivelany ao. Noho ny tsy fahazoan-dalana dia ao an-tokotanina olon-tsotra izahay no manao fankalazana, hoy Rakotovazaha namarana ny teniny.

Manohy

SARY : Olivier Rakotovazaha tetsy Analakely omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT