Politique

Olivier Rakotovazaha «Raisintsika ho ohatra i Côte d’Ivoire»


  • Zoma 15 Aprily 2011


“Tsy mbola vahaolana ny fifidianana satria mbola betsaka ny olana”, hoy i Olivier Rakotovazaha, tao amin’ny Kianjan’ny Finoana Behoririka, omaly. Notsiahiviny fa niteny ny Firenena mikambana tamin’ny alalan’i Metcalf fa tsy hanome vola ho an’ny fifidianana raha tsy misy fifanarahana politika vita. Ny azy no nataony tonga aloha omaly, 45 tapitrisa dolara amerikanina no efa vonona ho an’ny fifidianana mba ho raitra, tsy misy halatra sy hosoka… hono.

Tsy misy dikany anefa io vola io raha tsy vita ny fampihavanana fa ho lany fotsiny ihany, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko MFM. Raisintsika ho ohatra i Côte d’Ivoire, hoy izy, nampiasa “carte biométrique» no sady kara-panondrom-pirenena, nampiasa biletà tokana, GPS … Fa rehefa niseho ny voka-pifidianana dia ady no niafarany satria tsy mbola nipetraka ny fihavanana. Ny depioten’i Mananjary teo aloha, Camille Mektoub kosa no nilaza fa noho ny tsy fisian’ny demokrasia sy ny tsy fisian’ny fanajana ny zon’olombelona no mahatonga ny rahalahy Raveloson Constant tsy tonga ao amin’ny Magro.

Manohy
SARY : Olivier Rakotovazaha teny Behoririka omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT