Ny ambadiky ny dian’ny delegasionin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina na COI, tarihin-dry zareo Maorisianina amin’izao fotoana, no votoatin-kabary tao amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo.
Nilaza moa ity delegasiona ity fa dia hanohana ilay sori-dalana vita rangopohy teny Ivato, iray volana lasa izay, mandritra ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny SADC. Nialoha izay dia nisy taratasy nataon’ny minisitry ny raharaham-bahinin’ny nosy Maorisy, Dr Arvin Boolell, izay nitarika ity delegasiona ity, nilaza fa manohana izao fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina izao. Nahitsy ny valin-kafatra nataon’ny Sekretera jeneralin’ny antoko MFM, Rakotovazaha Olivier, izay mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa, fa tsy hisy firenena hamatsy vola fitondrana nalaina an-dalambe.
Lasa lavitra aza ny filazany fa raha tena vehivavy ny minisitry ny raharaham-bahinin’ny FAT dia tokony hiady amin’ny famerenana ireo nosikely an’i Madagasikara, resahina matetika moa ny nosy Juan-de-Nova, Tromelin ary Europa izay nataon-dry zareo Frantsay zarataniny amin’izao fotoana izao. Ireo nosikely ireo dia fantatra fa mitahiry otrikarena maro, indrindra fa ny solika. Notsahivin’ity minisitry ny fitaterana tamin’ny fitondrana Ravalomanana ity, fa efa nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ny fitondrana tetezamita teto Madagasikara vao vita sonia ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba saingy nanao taritokana i Andry Rajoelina ka dia mihemotra isika. Nanamafy izay nambarany ny Dr Razafindrakoto Harrison, mpandrindra ny Hery Politika Mitambatra sady nitondra teny ny Profesora Zafy Albert tao amin’ny Magro Behoririka tamin’io sabotsy io.
Tsotra ny fijerin’ny Profesora Zafy ny zava-misy ankehitriny, hoy izy, fa manao izay tsy hisian’ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoana tokony hataon’ny SADC ny COI ka miezaka mandresy lahatra mafy ny Malagasy hiroso amin’ny fifidianana. Eo anatrehan’izay dia nilaza ny Dr Harrison fa tsy hankinina samirery amin’ny prezida Ravalomanana ny ady ara-diplaomatika, fa handray andraikitra koa ny Malagasy isam-batan’olona handresy lahatra ny manondidina azy. Notsiahiviny fa tsy manana fototra hisiana araka ny lalàna intsony ny FAT. Namerina ny antso nataon’ny Profesora Zafy Albert amin’ny tafika izy, mba handini-tena. “Mila ny hery rehetra isika satria mbola maro ny asa miandry ka ajanony dieny izao ny zavatra rehetra mampisaratsaraka”, hoy ny Dr Razafindrakoto Harrison namarana ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.