Politique

Ny Vondron’Olontsotra Mahatsiaro voafitaka


  • Alakamisy 10 Martsa 2011


Nilaza ny Vondron’Olontsotra, manohana ny filoha Marc Ravalomanana, tamin’ny fanambarana nataon’ny mpandrindra azy ity fa tsy mankasitraka ny fihetsika nataon’ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny nandehanan’ireto farany teny Ivato ka nanaovana rangopohy ny sori-dalan’ny Dr Simao. «Raisinay ho mpamadika ny tolom-bahoaka mitaky ny ara-dalàna sy ny filoha Marc Ravalomanana izay teny, na nanao sonia na tsia satria ny fandehanana teny Ivato dia manaporofo fa mankasitraka iny sori-dalana manilika ankolaka ny filoha Ravalomanana tsy ho mpandray anjara amin’ny raharaham-pirenena intsony iny». Lasa lavitra aza ny fanambaran’ny Vondron’Olontsotra, ka tonga hatrany amin’ny fitakiana ny tokony hialan’ireo nanao sonia ny sori-dalana ao anatin’ny fitarihana ny ankolafy Ravalomanana, fa manao fitaovana ny tolom-bahoaka hitadiavana toerana fotsiny.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT