Politique

Nosakanana i Dada Hitsefotra koa ilay sori-dalana


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011

Sahiran-tsaina ankehitriny ny fianakaviambe iraisam-pirenena teo anatrehan’ny nanakanan’ny FAT tamin’ny fomba rehetra ny filoha Ravalomanana tsy hiverina eto Madagasikara.

Mazava fa dia hisy fiantraikany amin’ny famitana ilay sori-dalana heverina hamahana ny krizy ary koa hirosoana any amin’ny fifidianana iny. Ny tsy fahatongavan’Atoa Marc Ravalomanana eto mantsy dia mitarika tsy fandraisan’anjaran’ny ankolafy tarihiny amin’izay fandrafetana na fanadiovana ny sori-dalana natolotr’i Joaquim Chissano ny 16 febroary teo. Manana andraikitra amin’izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ao anatin’izany ny Firaisambe Afrikanina. Ity farany izay vao nanamafy ny sazy isam-batan’olona mihatra amin’ireo mpitondra FAT, nandritra ny fivoriambeny faha-31 tany Addis Abeba ny 31 janoary teo.

Manana andraikitra, araka izany, ny fianakaviambe iraisam-pirenena hamaha io sakana tsy ahafahan’ny filoha Ravalomanana hiverina eto io. Re rahateo mantsy fa tsy hanao sonia iny sori-dalana iny ny ankolafy Ratsiraka, ny ankolafy Zafy Albert rahateo efa nitsipaka marindrano azy iny. Raha hisy hanao sonia izany, araka ny fanirian’i Andry Rajoelina, sy ny Frantsay dia ireo antoko nandrafitra ny Ankolafy Rajoelina no hanao sonia io sori-dalana io, ary dia mbola fitondrana taritokana ihany no hiseho eto.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT