Tonga eto Madagasikara hatry ny omaly alatsinainy 21 febroary, tamin’ny fiandohan’ny tolakandro, ny Dr Leonardo Simao, iraky ny mpanelanelana avy amin’ny SADC handamina ny krizy eto Madagasikara.
Nambarany nandritra ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao teny am-pahatongavana teny Ivato, fa tsy sori-dalana farany na raikitra araka ny resaka mandeha ankehitriny ilay narosony tamin’ny mpanao politika Malagasy tamin’ny 31 janoary ary nitondran’ny filoha Joaquim Chissano, fanitsiana ny 16 febroary, fa mbola azo dinihina tsara ny hanatsarana azy. Notsoriny fa dia miandry ny tolokevitra avy amin’ny hery politika samihafa izy ireo, handrafetana ny sori-dalana tenierana hahafahana mivoaka amin’izao krizy izao. Faniriana moa ny azy ny hahavitana izany ao anatin’ny fotoana fohy fa efa mitarazoka ela loatra izao krizy izao. Miaiky anefa izy fa miankina amin’ny zava-misy eto an-toerana izany, ary mbola ny SADC izay mpaniraka azy ireo koa no tompon’ny teny farany.
Toy ny baomba no nandraisan’ny mpanohana ny FAT ny fanazavan’ny Dr Simao io omaly. Ireo antoko madinika mpiara-dia sy nisotro ny aleoko maty amin’ny fanohanana izao fitondrana izao, mantsy dia natoky ny resaka novoizina faramparany teo fa sori-dalana farany no naroson’i Joaquim Chissano, na tsy misy andalan-tsoratra milaza izany aza amin’ny taratasin’ity farany, ka dia efa nifampitaona fa hanao sonia izany. I Andry Rajoelina aza moa, raha nanatitra akanjo sy kiraro ho an’ny tafika teny amin’ny RTS Fiadanana ny zoma 18 febroary, dia efa nanondro fa amin’ity herinandro ity no hanaovana sonia io sori-dalana io. Nanamafy izany koa ilay ministra frantsay momba ny fiaraha-miasa, Henri de Raincourt nandalo teto ny faran’ny herinandro teo. Mbola lavitry ny afo anefa ny kitay. Nanova zavatra lehibe amin’ny fandrafetana izany sori-dalana izany rahateo ny hetsi-bahoaka teny Ivato tamin’ny sabotsy 19 febroary lasa iny. Betsaka no ho diso fanantenana, araka izany.
Sary : Dr Leonado teo am-patongavana teny Ivato omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.