Raha ny marainan’ny alatsinainy teo no nandraisan’ny filoha namibianina sady filoha mpitarika ny Sadc ankehitriny, Hifikepunye Pohamba, an’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT dia ny tolakandro kosa no niarahany nidinika tamin’ireo solontenan’ny ankolafy telo nahitana an’i Henri Roger Ranaivoson, Olivier Andrianarisoa, Brian Currin sy Guy Rivo Randrianarisoa.
Izao dinika izao, araka ny vaovao dia tafiditra ao anatin’ny fanohizana ny dinika araka izay tapaky ny Troika eo anivon’ny Sadc hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy. Nohamafisin’ny filoha Pohamba fa vonona hanampy an’i Madagasikara izy amin’ny fikaroham-bahaolana haingana nefa maharitra amin’izao krizy lalina izao. Niantso fiaraha-miasa amin’ireo ankolafy politika ihany koa ny tenany satria efa lava loatra ny krizy ka mampahory ny vahoaka malagasy. Notsiahivin’ireo delegasiona fa efa tany amin’ny volana novambra 2009 no efa nahitana vahaolana niombonana sy handraisan’ny rehetra anjara.
Ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao dia vokatry ny fizirizirian’ny FAT tsy hanaraka ny fifanarahana efa vita sy natao sonia, izay hany ara-dalàna. Tsy misy afa tsy ny tetezamita iarahana sy handraisan’ny rehetra anjara anefa, araka ny fanazavana, no hampitony ny raharaha politika eto Madagasikara. Ao anatin’izany, hoy ihany ireo solontenan’ny ankolafy telo, ny famoahana ireo gadra politika rehetra, ny fiverenana an-tanindrazana ireo voatery nanao sesitany ny tenany, izay vao miroso amin’ny dingan’ny fifidianana malalaka, demokratika ary mangarahara izay ho eo ambany fitarihan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena
Anisan’ireo voaresaka nandritry ny dinika ihany koa ny fitsabahan’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indiana (COI) sy ny vondrona mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay na ny OIF amin’ny dinika fikaroham-bahaolana, kanefa dia efa napetraka tamin’ny fitarihan’ny Sadc sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tarihin’ny filoha mozambikanina Joaquim Chissano. Araka ny fanazavana moa dia noraisin’ny filoha Namibianina toy ny mpitarika ankolafy politika ny filohan’ny FAT tany Namibia.
Sary : Filoha namibiana Hifikepunye Pohamba sy Henri Ranaivoson
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.