Politique

Naika Eliane “Tsy manana fototra ara-dalŕna iorenana ny FAT”


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Fitiavan-tena, jadona, raha tsy hiteny afa tsy ireo, no itondran’i Andry Rajoelina ny firenena ankehitriny, hoy i Naika Eliane, iray tamin’ireo senatera 11 notendren’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taom-piasana farany, tao anatina taratasy misokatra nataony.

Araka izany dia mbola lavitra ny ezaka, hoy izy, raha ny lehiben’ny mpanongam-panjakana no andrasana hamerina ny fiainam-pirenena amin’ny laoniny. Telo taona izao, hoy ihany Rtoa Naika Eliane no niainan’ny Malagasy tao anatin’ny tsy ara-dalàna. Vahoaka mila ho very fanantenana ny amin’izay hahatafavoaka an’i Madagasikara amin’izao kizo izao na tsia, satria dia miziriziry amin’ny heviny ny filohan’ny FAT izay manadino fa izy no mpitarika sy nikotrika ny fanonganam-panjakana. Ary araka ny fifanarahan’i Cotonou, sata afrikana dia voarara ho an’ny sokajin’olona toa azy ny fahafaha-mitondra firenena satria nanongam-panjakana.

Notanisain’i Naika Eliane avokoa ireo tsy fanarahan-dalana rehetra nataon’i Andry Rajoelina izay mitory ny jadona ataony toy ny kisarina tetezamita tsy mitanila, ny kisarina- lalampanorenana hidirana amina kisarina repoblika satria dia nezahin’ny filohan’ny FAT avokoa ny hanilihana ireo mpifanandrina ara-politika aminy. Kanefa ny maha-filohan’ny tetezamita azy dia vokatry ny fifanarahan’ny samy malagasy tany Maputo izay notsinotsinoaviny, hoy ihany i Naika Eliane. Ankoatra ireo rehetra ireo ny fanagiazana ny CST sy ny CT ary ny Ceni. Araka izany, hoy ity loholona ity dia tsy manana fototra ara-dalàna iorenana izao fitondrana izao.

Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny maha fitondrana tsy refesi-mandidy azy. Tsy hisy olona hino sy hanaiky izay fifidianana hikirizan’ireo mpanongam-panjakana hatao ary dia tsy hahazo izany fankatoavana iraisam-pirenena izany i Madagasikara raha toa ka toy izao hatrany no hitondran’ny mpanongam-panjakana ny firenena. Fanontaniana moa no namaranan’ity loholona ny taratasiny raha toa ka hiova famindra i Andry Rajoelina na tsia ka ho lasa demokraty maniry ny hivelaran’ny firenena.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT