Ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka aloha izao no tokony hahamaika fa tsy zavatra hafa, araka ny hevitry ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson, izay tena mazoto tokoa amin’ny fitsidiham-paritra.
An-tapitrisany ny Malagasy sahirana ara-pivelomanana, araka ny nambarany ka tokony hampitomboina ny ezaka fanampiana azy ireo satria tsy ho ampy mihitsy ireo fanampian’ny malala-tanana fa fandaharan’asa matotra no tokony hapetraka. Mila jerena akaiky ny lafiny sosialy eto amintsika raha ny filazany satria tena natao ambanin-javatra foana hatrizay ny resaka fiahiana ara-tsosialy. Rehefa milamina io dia milamina ny zava-drehetra, hoy ny ministra Nadine Ramaroson.
Raha halalinina io tenin’ny ministry ny mponina io dia tsy tokony ho maika amin’ny resaka fifidianana aloha ny fitondrana tetezamita fa hijery izay tetika hanampiana ny olona sahirana manerana an’i Madagasikara. Efa tsikaitry ny mpanara-baovao hatry ny ela fa anisan’ireo manampahefana tsy rototra amin’ny fifidianana Rtoa Nadine Ramaroson, na dia tsy mbola nilaza izany tamin’ny fomba ofisialy aza. Izy irery ihany koa no hita ho mpitondra ambony eto tsy mihetsiketsika amin’ny famoronana antoko na fikambanana politika.
Ao koa anefa no mahita fa paik’ady politika ihany no ataon’ity zana-drahalahin’i Alain Ramaroson ity, ary tsy kisendrasendra ny naha ministry ny mponina azy fa efa misy tanjona mazava, dia ny fanomanana sahady ireo olona ambara fa sahirana ara-pivelomana sy eny amin’ny faritra iva izay mahazo fanampiana matetika avy amin’ny ministeran’ny mponina sy ireo mpiara-miasa aminy, mba handrotsa-bato ho an’i Nadine Ramaroson na izay olona hotohanany rahatrizay raikitra ny fifidianana. Kajikajy politika efa nodinihana lalina izany, raha ny fandinihan’ny maro azy, satria vato ana hetsiny, eny mety an-tapitrisany mihitsy no mety ho azon’ny kandida iray, izay mamy hoditra eo amin’ny sahirana ara-pivelomana rehetra manerana ny nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.