Politique

Mpomba an-dRajoelina Hanao tery vaimanta indray


  • Alakamisy 03 Martsa 2011

Fanambarana niombonana roa no navoakan’ireo antoko politika nihaona teny Ivato omaly taorian’ny fivoriana tsy azon’ny mpanao gazety natrehana, naharitra adim-pamantaranandro fito ora sy sasany katroka.

Efa nazava ny ho votoatin’ireo fanambarana roa ireo raha ny famaritana ny fandaharam-potoana sy ny teny nataon’ny Filoha Avon’ny Tetezamita (FAT) Andry Rajoelina tamin’ny lahatenim-panokafana fohy nataony ary koa tamin’ny fanamarihan’ireo solontenan’antoko politika niisa enina nomena anjara fitenenana (Lahiniriko Jean, Pierrot Rajaonarivelo, Roland Ratsiraka, Voninahitsy Jean Eugène, Ndremanjary Jean André ary Alain Ramaroson). Nafana ny adihevitra sy adivarotra matoa hariva vao nahatafavoaka ireo fanambarana iombonana ireo ny mpivory. Nanamarina izany ny filazan’ny sasantsasany fa na dia misy tsy mitovy amin’ny hevitr’izy ireo aza ny voalaza ao anaty fanambarana dia nekena mba hampanjakana ny demokrasia.

Raha ny fanambarana mahakasika an’ilay sori-dalan’ny Dr Simao izay nitondran’i Chissano fanitsiana dia “manaiky sy mankato an’io sori-dalana io izy rehetra (antoko 50 teo) tsy nisy nitsipaka ary manainga an’ny Dr Leonardo Simao iraky ny ekipa mpanelanelan’ny SADC eto amintsika miaraka amin’ireo vondrona iraisam-pirenena mba hikarakara lanonana ofisialy mialoha ny talata 8 martsa 2011 hanaovan’ny rehetra sonia izany. Teo am-panokafana ny fihaonana i Andry Rajoelina dia nilaza fa “tsy maintsy faranantsika amin’ity taona ity ny tetezamita”. Nanainga an’Atoa Andry Rajoelina rahateo ireo mpivory nanao fanambarana mba hanatanteraka ny fampiharana ny voalazan’io sori-dalan’ny SADC io.

Dia niainga tamin’io hevitra hamaranana ny tetezamita mialoha ny faran’ity taona ity io ny fanambarana faharoa mikasika ny fanatanterahana ny fifidianana fananganana ny Repoblika faha-4. Voalaza ao koa fa eo anelanelan’ny 1 mey ka hatramin’ny 30 novambra 2011 no hanaovana ny fididianana rehetra ary ampiarahana ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera ary angatahana ny Iraisam-pirenena ny fanohanana izany mba hizotra amin’ny an-tsakany sy an-davany. Ekena ny fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana mialoha ny fifidianana hatao. Hatsangana ny “Collège des Représentants des Candidats” hanara-maso ny asan’ny CENI manomboka eo amin’ny fiaintsoana ny mpifidy handatsa-bato ka hatrany amin’ny famoahana ny voka-pifidianana. Ho eken’ny rehetra ny voka-pifidianana hivoaka eo. Hotazonina avokoa ireo rafitra efa nantsangan’ny tetezamita hatrizay, indrindra ny fitsapankevi-bahoaka tamin’ny 17 novambra 2010 nahalanian’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4.

 
Manohy
 
SARY : Mpanao Politika teny amin’ny CCI Ivato omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT