Politique

Mpitolona Ankolafy Ravalomanana Manao antso avo hamoahana ireo gadra politika


  • Zoma 21 Janoary 2011

«Latsaka an-katerena lalina ny firenena ankehitriny», hoy ny Mpitolona vehivavy renim-pianakaviana, tanora, olon-tsotra, fikambanana sy vondron’olona mijoro ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana, «ka mila ny fandraisana andraikitra sy ny fitiavan-tanindrazana avy amin’ny tsirairay avy».

Nanao antso avo tamin’ny alalan’ny famoriana mpanao gazety teny Bel’Air omaly alakamisy 20 janoary izy ireo, ka miantso an’ireo manampahefana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ireo tsara sitrapo rehetra (ny fianakaviam-be iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana) mba hitsinjo ny rariny sy ny hitsiny sy ny maha olona, indrindra ny soatoavina malagasy izay mampiavaka antsika dia ny fihavanana ka samy hanao izay tandrify azy avy mba ahafahana mamoaka tsy misy hatak’andro ireo maherifo lasa gadra politika tsy fidiny noho ny fitiavan-tanindrazana sy fanehoan-kevitra nataony toa an-dry Depiote Zafilahy Stanislas sy Pasitera Edouard Tsarahame ary Atoa Fetison Rakoto Andrianirina.

Izany, hoy izy ireo dia ho mariky ny fahavononan’ny rehetra hamaha ny olana fa antoky ny fitoniana ara-politika eto amin’ny firenena io. Mampahery koa anefa izy ireo an’izay rehetra miatrika ny fifampiraharahana miaraka amin’ny SADC sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ary mampirisika azy ireo hatrany mba hahita ny marimaritra iraisana sy ny vahaolana ivoahana haingana amin’izao krizy izao. 

Nangonin’i Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT