Politique

Mpitaky ny ara-dalŕna Atao hazalambo ao Antsirabe


  • Zoma 04 Martsa 2011

Tsy mbola tapitra akory ny antsojay atao amin’ireo mpitolona ao Antsirabe taorian’ny famonjana vonjimaika ireo telo mianadahy anisan’ny mpitarika tao amin’ny Magro Avaratsena fa dia mbola mitohy ny fitadiavana olona isam-baravarana ataon’ny mpitandro filaminana.

Araka ny fantatra ary dia mpitolona telo indray no efa notadiavina tany an-tranony vao maizimaizina ny alakamisy 03 martsa teo saingy efa mailo angamba ny olona ka tsy tratra izy ireo. Tsy mazava ny anton’ny fisamborana hatreto na tohin’ilay fanelezana trakta ihany na dia fampihorohoroana sy fandemena ireo mpitolona fotsiny ihany fa dia misahotaka tanteraka ireo mpitaky ny ara-dalàna ao Antsirabe fa matahotra ny atao sarika am-pandriana tsikelikely. Fa mahakasika ny fanohizana izay “tolona” izay dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ireo mpitarika hafa ka nanambara fa dia mitohy hatrany izany na inon-kidona na inon-kihatra, na teo aza ny fisamborana ireo namany.

Porofon’izany moa dia nisy hatrany ny hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena ny alarobia hariva teo ary dia tonga ny olona nihaino ny tatitra tamin’ny nisamborana azy telo mianadahy ary liana amin’ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Ho hita eo hatrany moa ny fivoaran’ity raharaha fisamborana ao Antsirabe ity. Fantatra ihany koa fa arahi-maso tanteraka ireo mpitarika hafa amin’izao fotoana izao, eny hatrany an-tokantranony mihitsy sy izay olona mifanerasera sy mifandray amin’izy ireo. Tantara mitohy......

Caïus R.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT