Politique

Mpiasam-panjakana PCAPE Miantso ny Sadc handray andraikitra


  • Zoma 13 Mey 2011


 Mba hisiana tetezamita tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa, iaraha-mitantana sy tenierana, afaka hanomana ny tena fifidianana dia miantso ny SADC ny Plateforme de Concertation des Agents Publics de l’Etat na ny PCAPE mba hampirisika ny rehetra hampihatra ny tapaka tamin’ny fihaonan’ny Troika ny volana martsa 2011 lasa teo. Miantso ireo filoham-pirenena telo lanim-bahoaka sy ireo mpitarika antoko politika sy ireo fikambanana hafa toy ny fiarahamonim-pirenena sy ireo fikambanana hafa na miankina amin’ny finoana na tsia mba hiverina hidinika an-databatra boribory eto Antananarivo hijerena ilay vahaolana eo amin’ny samy Malagasy. Ao anatin’ilay taratasy ho an’ny SADC izay nalefan’ny PCAPE koa no nanamelohan’ireo mpiasam-panjakana ny mpanjanatany manohy ny fomba mamohehatra, ka manohana mpanongam-panjakana sy ny nosy Maorisy izay misisika hanao fanelanelanana mifanindran-dalana amin’ny ataon’ny SADC. Manoloana ny ho fivoriana hataon’ny SADC ato ho ato momba an’i Madagasikara dia miantso ireo firenena mpikambana ny PCAPE mba ho tena hampiharina sy hamafisina izay rehetra ho fanapahan-kevitra eo.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT