Mahatsikaiky ihany indraindray ny mpanao politika Malagasy fa dia misy be fanantenana loatra sy tsy mahalala ny tena marina akory amin’ny fanaovana politka angamba.
Raha noharatsiana sy nokianina mafy ny iraky ny SADC, volana vitsivitsy lasa izay, ankehitriny dia toa mivavaka amin’ny Dr Leonardo Simao mihitsy ny ankamaroan’ny mpanao politka, ka izay rehetra tazana avy nihaona sy niresaka taminy dia miramiran’endrika avokoa, ary samy milaza fa hivaha tsy ho ela, hono ny krizy. Tsy hanavahana antoko sy ankolafy io, fa dia na ny mpanao politika sokajiana hoe goavana sy efa dinôzôro, na ireo vao miana-mamindra dia mibitabitaka avokoa vao hoe hihaona amin’i Simao ; ity farany koa aloha dia tena mahay miresaka ary tsy mba mety misafoaka na tezitra izany raha ny fahitana azy.
Tena diplaomaty ary mahay miresaka sy mifandray amin’izay rehetra mifanatrika aminy ny Dr Leonardo Simao, tsy tokony hahagaga izany satria izay no asany, izay no iraka ampanaovina azy, ary izay no handraisany vola be. Ho an’ny olona mpanelanelana amin’ny krizy tahaka itony dia tsy mba fanao mihitsy ny manindraindra na manakiana be fahatany mpanao politika na antoko politika na vondrona politika iray, fa rehefa apetraka ny resaka hoe fiaraha-mitantana no atao eto dia ampitoviana daholo ny fomba fandray sy firesaka amin’ireo ankolafy politika tsirairay avy. Tsy misy mihitsy, araka izany, ny zava-baovao na miavaka ambara amin’ny ankolafy izatsy na izaro fa zavatra mitovy daholo no aloaky ny vavan’i Leonardo Simao, saingy ny fomba hitenenany azy no ovaovainy arakaraka ny olona miresaka aminy.
Manana fahaiza-miasa sy fahaiza-manao ary traikefa manokana ny olona manao izany asa izany ary efa zatra fifandonana sy fifanandrinana, tsy tokony hohadinoin’ireo mpanao politika Malagasy anefa fa tsy mpanapa-kevitra fa iraka fotsiny i Leonardo Simao, ary azo hanaporofoana izany mihitsy ny fomba fiteniny sy ny fomba fiasany, na firy andro, na firy herinadro izy mijanona eto dia tsy mamoaka fehin-kevira izany mihitsy fa famintinana ireo dinika nataony fotsiny no ambarany amin’ny mpanao gazety, raha misy koa izany fihaonana izany. Tsy maintsy miverina mody aloha izy, manao tatitra amin’ireo lehibeny ao amin’ny SADC sy ny vondrona afrikanina, dia iretsy farany indray no mieritreritra ny dingana manaraka tsy maintsy atao.
Olombelona ihany fa tsy Andriamanitra hivavahana sy mahavita zava-mahagaga akory ny Dr Leonardo Simao, ary tena diso kajy ireo mpanao politika mieritreritra fa niresaka be taminy ka hahazo tombony amin’ny fizarana seza atsy ho atsy. Mahamenatra ihany raha toa ka amin’izao taona arivo fahatelo izao no tsy mahafantatra tsara ny atao hoe : «langage diplomatique» sy mivavaka amin’ny iraka manokan’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpanao politika Malagasy sasany, izay miady mafy mba hahazo toerana ao anatin’ny rafitra tetezamita, fa hoe hanarina ny firenena, hono !
Sary : Dr Leonardo Simao avy nandray an-dRaharinaivo filohan’ny Kongresy tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.