Politique

Monja Roindefo Namoaka tsiambaratelo


  • Alakamisy 17 Martsa 2011

“Tsy mandeha amin’izay laoniny ny raharaham-pirenena raha ny zava-misy iainana amin’izao fotoana izao no zohina sy halalinina”, hoy ny Praiministra teo aloha Monja Roindefo tao Tolagnaro ny talata 14 martsa teo.

Aminy dia nivaona tanteraka tamin’ny tanjon’ny tolona tamin’ny 2009 no misy ankehitriny, ka nilazany fa “fitiavan-tena, fanamparam-pahefana no mahazo sehatra, fanampenam-bava amin’ny tsy fahazoana miteny na maneho hevitra ankalalahana no mahazo laka”. Nanantena fiovana ho amin’ny tsaratsara kokoa ny Malagasy saingy vao mainka loza no hita, hoy izy. Nambarany fa fifikirana amin’ny seza mba ahafahana mameno paosy amin’ny fitantanana gaboraka ny fananam-pirenena no misy.

Noresahiny koa ny referandaoma tamin’ny 17 novambra lasa teo iny, ka nilazany fa mbola voaporofo ny fomba ratsy ataon’ity fitondrana tetezamita ity tamin’iny fifidianana iny. “Hosoka maro no nisy, indrindra ny tao amin’ny faritra Androy izay lazaina fa nankato 100% iny lalàmpanorenana noteren-ko masaka iny”. Amin’i Monja Roindefo dia “tsy misy izany Repoblika faha-4 izany fa ny firosoana avy hatrany amin’ny repoblika faha-5 no izy”. Fa navoakan’ity praiministra taloha ity ny tsiambaratelo mahakasika ny helikôptera miisa 4 novidian’ny FAT, nolazaina fa hitandroana ny filaminana. “Maro ireo miaramila no tsy resy lahatra amin’ny fahazoana iny fitaovana iny noho ny lafiny ara-teknika”, hoy izy.

Toy izany ihany koa ny fitaka mahakasika ny fitafiana ho an’ireo miaramila, izay nanaovana lanonana ofisialy farany teo. Anisan’ny mampalahelo an’ity mpanao politika ity ny tsy filazana ny tena zava-misy marina amin’ny vahoaka fa izay mahametimety an-dry zareo mpitondra ihany no ampanjakaina sy voizina amin’ny haino amanjerim-bahoaka. Naneho hevitra mikasika ny fananganana governemanta iraisana koa ny tenany ka nanambara fa “mbola fitondran’olon-tokana no misy sy ho avy eo, ka tsy hisy firenena hankato antsika amin’izao tranga misy ataon’ny FAT izao”. Nambarany koa fa “efa tapitra ny fitondran’i Andry Rajoelina, ka tsy tokony hiandry izay filoha voafidim-bahoaka izy vao hiala amin’ny toerana”. Nanamafy ny hilatsahany hofidina ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy eo i Monja Roindefo, nandritra ity diany tany amin’ny faritra Anosy ity.

 
Onez M.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT