Politique

Monja Roindefo Mitaky fifanarahana politika vaovao


  • Alarobia 02 Martsa 2011

Nampitovy tadin-dokanga ny profesora Zafy Albert sy i Monja Roindefo. Nivoitra nandritra ny fihaonan’izy ireo ny alatsinainy teo ny tokony hiverenana an-databatra boribory handinihana ny fametrahana fitondrana tetezamita iaraha-mitantana sy ifanarahan’ny rehetra izay tsy mitsinjo afa tsy ny tombontsoan’ny vahoaka, hoy ny praiministry ny FAT teo aloha.

Ilaina, hoy hatrany ity farany ny fitadiavana fifanarahana politika vaovao izay manaraka ireo fenitra voalaza teo ireo. «Manome tombontsoa olon-tokana foana na ny fikambanana na ny FAT ireo fifanarahana hatrizay ka tsy tafavoaka amin’ny krizy mihitsy isika». Tsy namaly mivantana na handray anjara na tsia amin’ny fivoriana izay hotontosain’ny Ankolafy telo eny Ivandry sy ny FAT eny Ivato ny tenany. Izy rahateo tsy naharay fanasana momba izany araka ny nambarany.

Manolotra soso-kevitra kosa anefa ity filohan’ny antoko Monina ity ny handravonana izay fehin-kevitra tapaky ny andaniny sy ankilany. «Manana ny anjara toerany amin’ny famahana ny krizy ny vahoaka ka tokony hampahafantarina azy ireo izay venti-kevitra mivoaka eo mba tsy hahavoafitaka azy indray». Ankoatra izay dia manamafy ny antso nataony amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny troika eo anivon’ny SADC ny tenany mba hanatrika ny adihevitra izay tokony hokarakaraina.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT