Politique

Monja Roindefo Miolakolaka fiteny


  • Alarobia 09 Febroary 2011

Araka ny nambaran’ny praiministra FAT teo aloha, Monja Roindefo, dia somary mahagaga ihany ny fanambaran’ny lietna-kolonely Charles ny amin’ny hoe tetika efa nomanina ny 7 febroary 2009 ary nisy olon’ny FIS nitifitra ny olona teny Antaninarenina fa tsy hoe avy ao amin’ny lapa irery izany no niavian’ny fitifirana.

Tsy teny an-toerana tamin’io sabotsy io ny lietna kolonely Charles koa mety ho hafa ny fahitany ny zava-niseho, ary hafa ihany koa ny niainany iny diabe iny, ka sarotra amiko ny hitsarana na hanamarina na handiso izay fomba fijeriny izay na dia somary mahagaga ihany aza ilay izy”, hoy i Monja Roindefo. Na dia niolakola-piteny aza ity praiministra teo aloha ity dia tsapan’ny maro fa fanakianana ny ampamoaka momba ny raharaha 7 febroary nataon’ny lietnà-kolonely Charles A. no nataony, izy rahateo tsy afa-miala amin’iny raharaha iny ary nilaza fa vonona ny hiatrika fitsarana raha misy izany satria anisan’ireo nitarika ny vahoaka ny tenany, araka ny filazany ihany.

Dia mbola tantara mitohy izany ny amin’ity raharaha ity. Mino sy manantena ny rehetra fa hisokatra indray ny fanadihadiana hafa fa tsy hionona tamin’ny fiampangana sy fanagadrana ireo nambara fa tompon’antoka tamin’ny raharaha 7 febroary, izay olon’ny fitondrana teo aloha ny ankamaroany ny fitsarana. Tokony hijery akaiky sy hanadihady lalina ny andraikitr’ireo nitarika ny olona nivory teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hiakatra ho eny Ambohitsorohitra iany koa izy ireo, na dia efa nahafantatra tsara aza fa faritra mena io.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT