Ny faran’ny herinndro teo nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2011 teo amin’ny fianakaviany akaiky sy ny mpiara-mitolona ao amin’ny antoko MONIMA no niseho indray ary naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny praiministry ny FAT, teo aloha, Monja Roindefo.
Nambarany nandritra ity fihaonana teny Antsakaviro ity ary fa tokony ho taonan’ny fanovana amin’izay ity taona 2011 ity, ovaina ny fomba fijery, ovaina ny fomba famindra ary nilaza fa vonona ny hitarika ny vahoaka amin’izany izy. Hoy indrindra izy : «Ampy izay fa fotoan’ny fanovana izao. Fiaraha-mientana hampiova ny fiainam-pirenena ho amin’ny tsara kokoa no tokony hatao, vonona aho ny hitari-dalana sy hanome lesona … ». Izay vao niloa-bava taorian’ny raharaha BANI Ivato ity praiministra teo aloha ity, ary nanambara tamin’ny fomba ofisialy izay zavatra eritreretiny.
Dia hita izany izao fa tsy faly amin’izao fitondrana izao ity praiministra voailika taorian’ny Maputo II ity, ary hiezaka mba hitarika olona hanohitra ny fitondran’i Andry Rajoelina. Izy rahateo tsy afa-mihemotra intsony satria efa maro be ny resaka mandeha momba azy, anisan’ireny ny fifandraisany amina manamboninahitra maromaro, ny nahavoatonontonona ny anarany tamina fiketrehana fanonganam-panjakana. Koa noho izany rehetra izany, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy dia tsy maintsy miroso ary mamorona paik’ady vaovao i Monja Roindefo raha tsy te ho difotry ny mpanao politika hafa. Tsikaritra ihany anefa fa manomboka mihena ny fitokisan’ny olona azy tato ho ato izay, noho ny fahanginany maharitraritra ihany, tamin’ny fotoana tena nampafampana ny raharaha teto tamin’ny oktobra sy novambra 2010 ireny.
Maro mantsy tamin’ireny no nanantena fa i Monja Roindefo izay tena mahitsy fitenenana no sady hita fa sahy no hahatafita ny baolina ka haharodana ny FAT. Ny mifanohitra tamin’izay anefa no nitranga satria nijanona ho dokambarotra be fotsiny ilay hetsika goavana saika natao teto Antananarivo, fa tsy tahaka ny tany amin’ny faritra hafa, koa dia nitsefotra ny raharaha rehetra, dia iny no tsy tazana intsony Atoa Monja Roindefo fa nitodi-doha nankany Thaïlande, kanefa tsy dia hita ihany koa hoe inona no tena zavatra nivaingana ho an’ny firenena efa latsaka an-davaka, nentiny avy any. Raha dinihana izany tranga rehetra izany dia maro no mieritreritra fa mety hiafara tahaka an’Atoa Pierrot Rajaonarivelo ihany koa atsy aoriana kely atsy i Monja Roindefo, izany hoe ny kabary sy ny fihetsiketsehana no betsaka fa tsy tena misy zavatra mivaingana maharesy lahatra ny vahoaka ka hahatonga ireto farany hanohana izay hetsika atao. Hita ho manao politikan’ny mandroso mihemotra ity zanak’i Toliara ity, ka mampiahiahy ny maro ihany, izy rahateo tsy anisan’ireo mpanao politika nihaona nivantana tamin’ny Dr Leonardo Simao farany teo, fa nandefa solontena, ary tsy dia tazana tamin’ireny fihaonana politika etsy sy eroa ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.