Saika nitovitovy avokoa ny hevitr’ireo mpanohana ny ankolafy telo izay tonga tetsy Ambohijatovo nanatrika ny fanaterana voninkazo ho an’ireo maherifon’ny 1947.
«Io ihany no nanongana ny fitondrana teo dia avy eo mody mialokaloka aty rehefa voatsipaka», hoy ny sasany. «Jereo ny fiarany Hummer faran’izay raitra nefa isika ity miaritra ny mafy», hoy ny feo avy tany aoriana tany. Ary saika nitovitovy tamin’izay avokoa ny heno teo Ambohijatovo teo. Entina hilazana izany fa mbola misy dingana tokony harahin’io praiministra voatsipaka io aloha izay izy vao misaoty na mijapy mankaty amin’ny tolona izay efa an-dalam-pahitana vahaolana. Tsy lalaovina akory ny Malagasy an-tapitrisany izay efa tena miha mahantra amin’izao fotoana noho ny fanonganam-panjakana nitranga efa ho roa taona lasa izay, ary izy aza no anisan’ny tena tompon’andraikitra voalohany tamin’izany.
Nampahatsiahy an’izay i William Randriamahaleo avy amin’ny MFM Analamanga. Tsy mahagaga, hoy ity farany, raha miahiahy ny Legalista, satria voarakitry ny tantara ary tsy azo kosehiny fa nitarika ny fananihan-dapa ny 7 febroary 2009, nitondra nankany amin’ny fanongam-panjakana, nitohy tamin’ny fanomezana baiko ny miaramila tamin’ireny fisamborana mpanao politika maro ny taona 2009 ireny i Monja Roindefo. Ny hevitry ny olona sasany milaza fa mety hitondra hery sy hanampy amin’ny tolona ny fisiany. Manoloana izay dia nanao fanamarihana i William Randriamahaleo nilaza fa tsy mpitondra i Monja Roindefo, ka tsy ho afaka hibaiko tafika. Ny mampatahotra aza, hoy izy, dia “sao tafita vao rendrika”, indrindra amin’izao fivorian’ny Troika SADC izao. Ny fanontaniana mipetraka mantsy, hoy ity olon’ny MFM Analamanga ity, dia ny hoe raha afaka miaraka amin’i Monja Roindefo ihany ny Ankolafy telo, maninona no tsy afaka niaraka amin’i Andry Rajoelina ? Aminy dia mahomby kokoa ny tolona hamerenana ny ara-dalàna raha samy amin’ny toerana nisy azy no manao angaredona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.